Alarobia 01 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 8, 31-42 — Toy izao no nitiavan'Andriamanitra an'izao tontolo izao : nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

0 : 00

Mitodika amin’ireo Jody mino Azy ny fampianaran’i Jesoa androany. Efa maneho amintsika sahady izany eto hoe na isika efa mino aza dia ilaina mandrakariva ny fandalinam-pinoana, satria tsikelikely no ahafantarantsika ny misterin’i Jesoa Kristy sy ny marina momba Azy ; araka ny voalazany hoe: “raha mahatana ny Teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina ary ny marina no haha-olona afaka anareo”.

Fa, manoloana izay fampianaran’i Jesoa izay dia namaly Azy ireo vahoaka ireo hoe : “efa taranak’i Abrahama izahay ka nahoana no ilazanao hoe: “ho olona afaka ianareo ?”. Fantatro izany, hoy i Jesoa nefa ianareo mitady hamono Ahy satria tsy latsaka ao am-ponareo ny teniko”. Teny manoro antsika mianakavy izay hoe na dia efa kristianina aza isika, mety maro ny hevitra momba ny finoana tsy mbola fantantsika. Ary indray indray miziriziry amin’ny hevitra lazaina fa marina momba ny finoana nefa mbola mila atoro sy ampianarina. Eto izao, lazain’i Jesoa ireo hoe : “taranak’i Abrahama ve ianreo dia mitady hamono Ahy ?”, sahala amin'ny miteny hoe kristianina ve ianareo dia hamono olona, hamono konsiansy manolona ny tsy rariny. Dikan’izany, maneke atoro sy ahitsy manoloana ny fiheverana diso momba ny finoana.

Dia jereo eto, mbola niezaka nandresy lahatra an’i Jesoa ireto Jody ireto hoe : “iray ihany ny Rainay dia Andriamanitra” ; dia novalian’i Jesoa hoe : “raha izany àry, dia tokony ho tia Ahy ianareo satria Izy no naniraka Ahy”. Maneho amintsika mianakavy izay eto hoe tsy tokony ho anarana fotsiny ny maha-kristianina, fa olona tena resy lahatra amin’ny finona an’i Jesoa Kristy ilay nampahafantatra ny tenany tamintsika. Koa, aza sasatra mandalim-pinoana àry ; fanataro tsara ny finoanatsika fa tsy mety ny hoe fantatra amin’ny ampahany fotsiny ary raha misy tsy mazava dia manontania ary maneke atoro.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...