Talata 10 desambra 2019 - Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo.
Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14.
Tsy misy avelan'Andriamanitra ho very na iray aza. Sarobidy aminy ny tsirairay ka raha misy ny mania, tsy avelany fa tadiaviny. Indro ny avy ny Mpanjaka Tompon'ny tany ary Izy no hanafaka antsika amin'ny ziogam-panandevozana.

0 : 00

Amin'izao Fiavian'ny Tompo izao, tadidio fa tsy isika ihany no manontany azy Andriamanitra, fa Izy koa manontany ny hevitsika toy ny nataony tamin'ny mpianany araka ny Evanjely henontsika teo. "Ahoana no hevitrareo?", hoy Izy. Koa tandremo sao tsy manan-kevitra isika. Marina fa tsy hifandresy lahatra amin'Andriamanitra isika, fa afaka tsara mifanakalo hevitra aminy kosa ao anatin'izao herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo izao.

Fanoharana no lazain'i Jesoa eto. Resaka ondry, nanana ny anjara toerany ny ondry teo amin'ny fiainan'ny Jody, ka raha ondry mania dia tsy maintsy tadiavina fa tsy avela ho verivery fotsiny any. Marina fa raha ampitahaina ny iray amin'ny zato dia toa tsy misy dikany. Saingy tsy izany eo anatrehan'Andriamanitra isika, fa samy manan-danja avokoa ny tsirairay. Sarobidy eo anatrehany ny isam-batan'olona ka tsy maintsy tadiaviny raha vao mania. Tsy foiny ho very fa karohiny, ka mahafaly Azy ny fiverenantsika. Misy mpampianatry ny Eglizy aza milaza fa ondry iray ihany isika eo anatrehan'Andriamanitra, tsy maro na sivy amby sivifolo.

Ka na manao ahoana ny ditrantsika, na manao ahoana ny haben'ny fahotantsika, ny fahotantsika no tsy tiany fa isika dia mavesa-danja aminy mandrakariva. Tadiaviny ary tiany hiverina aminy. Araka izany, tsy ny haben'ny fahotana no inona, ka mampamoy fo antsika matetika, fa ny zava-dehibe dia isika mahalala miverina ilàlana. Amin'izany, tsy hoe tsara akory ny fahotana, fa rehefa ratsy dia ratsy saingy tsy izany akory no hataontsika ho sakana tsy hiverenana amin'Izy Tompo. Tsia. Ny fahatsiarovan-tena hoe ratsy no natao ka miala amin'izany sy mitondra izany hodiovina, dia izay no tena zava-dehibe.

Izy Tompo no manova ny ratsy ho tsara, manaisotra ny tsy mety ho tonga mety. Tsy midika koa izany hoe aoka hania isika fa raha tsy mania tsy misy lanjany eo anatrehan'Andriamanitra. Tsarovy fa ny lamba maloto tsy maintsy sasana fa ny rano maloto no ariana. Satriny isika tsy hisy hania fa hitoetra eo anilany mandrakariva. Ary moa va tsy izany no hataontsika rehefa miala eto amin'ity tany ity? Irariana mba ho tonga amin'izany avokoa isika rehetra fa santatra ihany no ataontsika eto an-tany.

Fakam-panahy koa ny hoe "isan'ny sivy amby sivifolo aho fa tsy ondry mania", tandremo fa fahadisoana ihany koa izany fanamarinan-tena ataontsika izany. Koa aza mikajikajy alohan'Andriamanitra fa mahay lavitra noho isika Izy. Tsapa izany tamin'ny namoronany izao rehetra izao. Amin'izany, tsy ny isa sivy amby sivifolo na ny iray no inona fa mazava ny Tenin'i Jesoa hoe "tsy tian'ny Rainareo izay an-danitra hisy very na dia ny anankiray amin'ireo madinika ireo aza". Dia hotanteraka amintsika anie izany. Amen

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...