Alahady 03 mey 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10 — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Ity Alahady faha-4 fankalazana ny Paka ity dia Alahadin’ny Mpiandry ondry tsara ka hivavahantsika ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra : ny Mpandraharaha Masina, ny manokan-tena isan-karazany, ny lahika izany hoe ny vita Batemy rehetra. Miompana amin’izay Jesoa Mpiandry ondry tsara izay ny Evanjely aroson’ny Eglizy ho antsika amin’ity herinandro faha-4 ity. I Md Joany no tena mamelabelatra momba an’izay ao amin’io toko faha-10 io. Hoy manko ny Eglizy manentana antsika ary misarika ny saintsika hamantatra bebe kokoa an’i Kristy amin’ny alalan’ny foto-kevitra arosony anio hoe : “I Jesoa no varavaran’ny fiainana”.

I Jesoa no Mpiandry ondry tsara ambaran’ny Evanjely eto ary Izy Tenany mihitsy moa no milaza izany mba ho fakan-tahaka ho antsika. Ny toetran’ny Mpiandry ondry Tsara dia ny fanehoany ny fitiavany tsy misy fetra ho an’ny ondriny miseho amin’ny alalan’ny hatsaram-panahy, fanetren-tena, fanompoana ary fanolorana ny aina mihitsy. Ho an’ity Evanjely androany ity àry dia ireto toetra telo ireto no misongadina ao amin’i Jesoa ka tokony halain’ireo mpiandry ondry rehetra tahaka ary alain’ireo ondry andrasana koa :

  • Fiantsoana ny ondry amin’ny anarany : midika izany fa fantany avokoa ireo rehetra eo ambany masony ary maneho fa mifanakaiky amin’ny fo tokoa izy ireo. Ny olona mifankahazo am-po no mifampiantso amin’ny anarana. Izay ilay fitenintsika mahazatra hoe “ny ela maha reroy”. Miantso anao, miantso antsika isan’andro Izy fa isika ve mba mihaino azy ary isika koa ve mba miantso ny anarany isan’andro na matetika mihitsy aza fa izany no olona mifankahazo am-po.
  • Fitondrana azy ireo amin’ny vilo-maitso : adidin’ny mpiandry no miahy ny andrasana amin’ny lafim-piainana rehetra (vatana, saina, fanahy) mamoky sy mamelona azy ireo ary manome fahafaham-po azy. Ireo izay novokisany dia irahiny hifanampy Aminy handeha mba ho iraka hanao toy ny nataony. Izany no ataon’ny papa izay Mpiandry ondry hita maso ankehitriny ary hanasany antsika koa handeha lavitra fa tsy hisonenika an-toerana fotsiny.
  • Mialoha lalana ireo andrian’ondriny Izy : tsy vitan’ny hoe mitari-dalana sy manoro azy ireo ny lalana fotsiny fa miaro azy ireo ihany kosa raha misy fahavalo ary dia mahafoy ny ainy ho azy ireo : izany no fonosin’ny misterin’ny paka. Ny papa dia miangavy ireo eveka rehetra mba hialoha ho mpitarika ny ondriny, ho eo afovoany hiahy azy ireo ary ho ao aoriany hanara-maso azy tsy hisy ho very.

Asongadin’i Jesoa àry fa Mpiandry ondry tsara Izy ka noho izay toetra mampiavaka Azy izay dia Izy no vavahadin’ny ondry fa tsy mba tahaka ireo mpiandry ondry sandoka izay tia tena, mitady tombon-tsoa ho an’ny tenany fotsiny ary mihinana ny ondriny mihitsy aza. Manamafy ilay voalazany any amin’ny toko 1 amin’ny Evanjeliny i Joany eto hoe “tsy misy nahita na oviana na oviana ny Ray, fa ny Zanany tokana izay eo an-tanany no manambara Azy” dia i Jesoa vavahady sady lalana izany. Ary ao amin’ny toko faha-6 hoe “tsy misy makany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako” dia Izy lalana. Izany no midika fa Izy no vavahady ary mpangalatra izay tsy mandalo eo. Mila manana fiombonam-piainana tanteraka amin’i Jesoa isika noho izany mba ho tonga any amin’ny Ray.

Hivavaka manokana àry isika ho na’ireo mpiandry antsika, izany hoe ireo nanankinana andraikitra hiandry ny andrian’ondrin’i Kristy mba hanahaka an’i Kristy Mpiandry ondry tsara avokoa izy rehetra ireny ary ho antsika rehetra mba ho ondry manaiky ho tarihiny avokoa isika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...