Alatsinainy 04 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 11-18 — Izaho no mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho no fantany koa.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Efa voalazantsika teto omaly ny momba an’i Jesoa Mpiandry ondry Tsara, dia manohy manamafy izany Izy amin’ity tohin’ny Evanjely izay naroso ho antsika teto omaly ity. Miverina in-telo ao amin’ny Evanjely naroso ho antsika teo ny ilazan’i Kristy ny tenany fa Mpiandry ondry tsara Izy sy ny toetra mamaritra izay. Hoy isika omaly hoe ny toetran’ny mpiandry ondry tsara dia maneho ary mizara fitiavana maimaim-poana ary tsy misy fetra, manompo ary mahafoy tena tanteraka manolotra ny aina mihitsy aza.

Asian’i Jesoa tsindrim-peo àry eto amin’ity Evanjely ity ny fahafoizany ny ainy ho an’ny ondriny. Mbola ao anatin’ny fankalazana ny Paka isika amin’izao fotoana izao, dia i Jesoa ilay Zanak’ondrin’ny Paka araka ny voalazan’i Masindahy Joany ihany any amin’ny boky fanambarany, no ilay Mpiandry ondry mahafoy ny ainy eto. Mifono ny misterin’ny Paka io fahafozany ny ainy ho an’ny andian’ondriny ao amin’ny toko fahafolo tohin’ny omaly io. Manazava izay fahafoizana ny aina ho an’ny andian’ondry izay i Jesoa ary i Jesoa manamafy izay efa nambarany tamin’ny Evanjely omaly.

Tsy toy ny mpikarama ny Mpiandry ondry tsara fa mahafoy ny ainy ho an’ny ondriny. Ambaran’i Jesoa eto fa tsy vonona hiaro ny andian’ondry ny mpiakarama fa ny ainy no avotany raha misy fahavalo na ambodia tamy. Ao amin’ny Eglizy tokoa dia antsoina isika, araka ny efa voalaza teto omaly hoe antsoina sy irahina ny vita batemy rehetra hanahaka an’i Kristy Mpiandry ondry tsara. Dia io toe-tsaina mpikarama io aloha no esorina voalohany ao an-doha. Tsy mpikarama isika manatanteraka ireny iraka isan-karazany ireny ka hoe hitady tombon-tsoa araka ny voalazantsika teto omaly fa manatanteraka am-pitiavana izany ary mahafoy ny aina mihitsy aza.

Tsy adala akory i Kristy ka tsy hahalala izay hanampiany na hahasoa ireo manatanteraka ny iraka ampanaoviny ka manao izany araka ny toetran’Izy Mpiandry ondry tsara. Tsy toe-tsain’ireo miaina ao amin’izao tontolo izao, tsy mahalala afatsy tambin-karama fotsiny, no iainantsika ny iraka hampanaovina antsika fa hampanjakana fitiavana marina.

Ny fahalalana ny ondry, efa nambara tamintsika teto omaly, fa mbola hamafisiny hatrany satria anisan’ny fepetra hamaritana ny maha Mpiandry ondry tsara izany. Fantatrao avokoa ve ireo ondry ankinina aminao ? Raha mpampianatra ianao, fantatrao avokoa ve ny mpianatra ? Raha mpiandraikitra APV na faritra ianao, fantatrao avokoa ve ireo tokantrano mandrafitra io faritra na APV hiadidianao io ? Dia toy izany hatrany. Aoka ny Mpiandry ondry tsara mba hiezaka mandrakariva hahalala sy hamantatra ireo andian’ondry iandraiketany.

"Mbola manana ondry hafa koa aho izay tsy ao anatin’ity vala ity, hoy i Jesoa ka tsy maintsy ho entiko hihaino ny feoko dia ho tonga valan’ondry tokana sy mpiandry ondry tokana". Io ilay hanentanan’ny Eglizy antsika iraka, amin’ny alalan’ny Papa François, ho mila mandeha lavitra isika ary mila mivoaka ny Eglizy fa tsy mionona fotsiny ao an-toerana ao. Ny zava-misy aza anefa moa indraindray dia ireo iandraiketanao ireo aza mbola tsy hitanao tsara, ireo ao amin’ny faritra iadidianao aza maro be ireo tsy fantatrao, ahoana moa no hijerevanao ny any lavitra ? Manana adidy anefa isika amin’ny maha iraka antsika hamondrona ny olona rehetra ho ao am-bala tokan’ny Ray mba tsy hisy hahavery ny olona rehetra.

Aoka àry mba ataontsika fitaratra mandrakariva i Jesoa Mpiandry ondry tsara, isika rehetra izay vita batemy ka hirahina, mba hahatarika ny ondry rehetra ao am-bala isika ary ho mpiandry ondry tsara mahafoy ny aina ho an’ny andian’ondry ihany koa. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...