Talata 05 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 22-30 — Ny ondriko mihaino ny feoko ; hoy ny Tompo, fantatro izy ary manaraka Ahy

0 : 00

Ry kristianina havana ! Ahariharin’i Kristy amin’ny teniny sy ny asany ny maha iraky ny Ray Azy ary hamafisiny amin’ireo mbola misalasala foana fa "Izy sy ny Ray dia iray ihany". Samy manana ny fomba fandraisany ny momba an’i Jesoa sy izany fampianarana ombam-pahagagana ataony izany anefa ny olona tsirairay, eny fa na dia isika ankehitriny aza. Misy ny mino avy hatrany fa Zanak’Andriamanitra Izy noho ny fampianarany sy ny teniny izay toa tsy mba feon’olombelona, sy ny asa soa vitany izay toa tsy mba hery avy amin’olombelona no hanaovany azy fa fahefana avy amin’Andriamanitra Rainy ; ka tsy mila porofo fa mandray sy manatanteraka izany eo amin’ny fiainany. Etsy andanin’izany anefa dia maro ihany koa ireo tsy mino, anisan’izany ny Jody ka mametraka fisalasalana hatrany na dia efa misy porofo sy famantarana izao aza. Nandiso fanantenana ny Jody mantsy i Jesoa ka noheveriny fa mamitaka azy mihitsy aza.

Nandrandrain’izy ireo ho ilay "Mpamonjy Masina" nampanantenain’Andriamanitra ny vahoaka Jody hatramin’izay i Jesoa, kanjo tsy araka ny niheverany izay hoe toetry ny Mesia no hitany, hany ka teraka tao amin’izy ireo ny fisalasalana, izany hoe ny tsy finoana. Noho izany, hoy izy ireo, nanontany an’i Jesoa : "Raha ianao no Kristy, mba lazao tsotra aminay". Ireto Vahoaka Jody ireto tokoa ilay hoe tsy mino maty raha tsy avy mandevina. Isika koa mantsy dia manana io fisalasalana sy fomba fiheverana toy ny an’ny Jody io indraindray ka mahatonga antsika tsy hino, na koa hinohino foana indraindray ary izany no mitarika antsika hanaonao foana na hanao izay saim-patantsika eo amin’ny fiainana maha kristianina antsika. Namaly tsotra koa anefa i Jesoa ary ny zavamisy no namaliny azy ireo : "Efa nilaza taminareo aho fa tsy mino ianareo". Tsy nety nandray na nino ny tenin’i Jesoa sy ny asany izy ireo noho i Jesoa iray rà aminy. Izany fomba fisainana izany manko manakana antsika tsy handray ny famonjena antsika indraindray. Rehefa isika no tonga amin’ilay mijery olona sy mijery “valeur” dia tsy mety maninteraka amintsika mihitsy izay teny lazaina amintsika. Noho izany tsy finoana izany dia tsy hanana anjara amin’i Jesoa ireo Jody ireo satria sarotra ho azy ny hanaiky azy ho Tompo.

Izay mandray ny teniny amim-pinoana ho fahamarinana ary mitandrina izany eo amin’ny fiainany anefa no tena mahazo ny fiainana. Aoka àry ho fantantsika fa ny safidy hanara-dia an’i Jesoa dia mila havaozina isan’andro fa tsy hoe valin-tena indray mandeha monja. Tsy mety noho izany ny fanaovana an’i Jesoa ho "havako raha misy patsa". Ary isika koa tsy hanadino ny hanavao isan’andro ilay finoana nekentsika na neken’ireo ray aman-dreny sy mpiantoka antsika fony isika natao batemy. Raiso ho hery ary ny Tenin’Andriamanitra mba hamelombelona ny fiainam-panahintsika ka hahatonga antsika ho ilay ondry mahay mihaino mandrakariva ny feon’Izy Tompo miteny amintsika.

Jesoa Tompo ô! Ireo izay mihaino ny teninao dia hanambarànao fa Mpamonjy Ianao. Sokafy ny fonay mba hinoanay tokoa fa Ianao no ilay iraky ny Ray. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...