Alarobia 06 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 44-50 — Nitsangan-ko velona i Kristy, sady nitondra antsika amin'ny mazava ; isika izay navotany tamin'ny Rany.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Raha nentanina isika mba tsy hanana fisalasalana raha ny amin’ny finoana dia mbola manamafy izany ihany ny Evanjely androany ary hilazan’i Kristy amintsika ny maha Fahazavana Azy. Ny Mpaminany dia efa nahafantatra ary nanambara fa hisy ny karazan’olona tsy hino na dia mbola tsy tonga aza i Jesoa ; ary mandrak’ankehitriny dia mbola misy foana izany karazan’olona tsy mety resy lahatra tanteraka izany ka tsy mety mino. Aoka ho sainintsika ilay tenin’i Jesoa tamin’i Thomas ary itenenany antsika koa hoe : "Sambatra izay tsy nahita nefa mino".

Na izany aza anefa dia maro koa ny olona mino sy manome voninahitra Azy. Tamin’ireo Jody dia azo lazaina fa maro no nino Azy nefa natahotra ny manam-pahefana izy ireo ka tsy sahy niseho masoandro. Izany tokoa no zavamisy na dia amin’izao androntsika ankehitriny izao aza satria misy tokoa ny tena manam-pinoana ary te haneho ny finoany saingy voafehifehin’ny zavamisy ka tsy afa-manoatra. Raha ny tena marina moa dia mbola tsy tena sahy maneho ny finoany izy. Izao moa dia maro no maneho izany finoany izany any amin’ny “reseaux sociaux” rehetra ary indrindra ny “Facebook”. Any ny sasany no sahy maneho fa mino izy na tsy mino. Mbola midika hakanosana izany fa tsy mbola fanehoana ny tena finoana. Ny olona toy izany mantsy no atao hoe manaiky ny olombelona fa tsy manaiky an’Andriamanitra. Azo atao tsara ny manaiky ny olombelona samy olombelona indrindra ny manam-pahefana isan-karazany ; ary izany indrindra no tsy maintsy ilantsika fitandremana satria sao isika dia menatra na manaiky olombelona nefa menatra an’Andriamanitra ary tsy mety manaiky ny sitrapony amintsika ny ao anaty ao.

Ampianarin’i Kristy anefa isika fa tokony hasiantsika fetra izany raha toa ka mitarika hanohitra ny finoana. Raha ny fanekena ny didy avy amin’olombelona no hamelana ny finoana dia ratsy sady tsy mety, satria ny fahefana eto an-tany dia misy fetrany ihany fa ny an’Andriamanitra ihany no mitoetra sady maharitra mandrakizay.

Hoy ihany koa i Kristy hoe : "Tonga amin’izao tontolo izao ho fahazavana aho, mba tsy hitoetra ao anatin’ny maizina izay mino Ahy". Tadidio fa mbola maro ny haizina manarona ny fiaintsika ety an-tany ety manoloana ny fahotana, ny tahotra, ny tsy finoana, ny tsy fahalalana an’Andriamanitra, ny adim-piainana atrehintsika, ny hakiviana sy ny fahadisoam-panantenana isan-karazany. Manoloana ireny rehetra ireny dia tonga i Kristy ho mpitantana sy ho mpanazava ny dia, haneho hatsaram-po, ho mpiaro antsika mba hiainantsika am-pinoana miaraka amin’Andriamanitra. Tsy ampy anefa ny mandre sy mino ny tenin’i Jesoa fa mitaky fampiharana amin’ny fiainana ka amin’izany dia tena tonga lafatra ny finoana satria arahina asa.

Jesoa Tompo ô ! Hahay hibanjina anao mandrakariva anie izahay ka hanongilan-tsofina amin’ny fanambaranao. Enga anie ny fitsangananao ho velona mba ho aro sy kiady mandrakariva ho an’ny finoanay. Amen !

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...