Alakamisy 07 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20 — Nahita Ahy ianao ka nino ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Efa diso fantatsika loatra ny anton-dian’i Jesoa tety amintsika fa ny hamonjy antsika olombelona rehetra. Nampianatra antsika momba an’Andriamanitra Ray izay naniraka Azy i Jesoa mba tsy hampisalasala antsika. Nanome ohatra tsara ho antsika koa Izy mba ho fakan-tahaka satria izany rehetra izany no vontoatin’ny famonjena nentiny.

Maro samihafa ny fampianarana nataony, anisan’ireny ny didim-pitiavana sy fifamelàna ary ny fanompoana. Toetran’ny Mpiandry ondry tsara izany araka ny efa nambara tamintsika teto tamin’ny Alahady. Izy Kristy mihitsy no milatsa-tenany manasa ny tongotry ny Mpianany. Izany no fanompoana sady fampianarany antsika ; ary Izy manao izany dia am-pitiavana sy am-panetren-tena no nanaovany izany. Maro amintsika mantsy no mihevi-tena fa lehibe dia mibaiko fotsiny fa tsy mba mandray anjara na mitarika akory. Ny fanompoana anefa no tena tian’i Kristy ataontsika dia izany koa no aoka ezahantsika kristianina hiainana isan’andro.

Efa maro ireo Mpaminany isan-karazany talohan’i Kristy no nitory sy nanomana ny vahoaka tamim-panetren-tena handray ny Vaovao Mahafaly. Nofidian’Andriamanitra ireny olona ireny, nametrahany adidy mba hampita ny teny sy mba hanitsy ny fomba fiainan’ny olona. Ny zavatra tsapa anefa dia toa tsy noraharahain’ny olona izy ireny na dia mitondra ny teny avy amin’Andriamanitra aza. Hita ao amin’ny Testamenta Taloha ny tantaran’i Jeremia mpaminany izay nirahan’Andriamanitra hitory ny teniny nefa dia tsy noraisin’ny olona loatra. Tonga koa i Jesoa nitory ny Tenin’Andriamanitra nefa mbola maro ihany koa ny olona nandà Azy. Ny mpianany aza moa namadika azy toa an’i Jodasy. Mazàna tokoa ange ka ny namana akaiky sy hatokisana ihany no mamadika ny tena. Tsy mbola tafita amintsika ilay tena hoe tia marina.

Manoloana izany fandavana izany dia hentitra ny tenin’i Jesoa hoe: "Izay mandray izay irahiko dia mandray Ahy" ; satria na Izy na ireo manohy ny asany dia samy tsy miteny ho azy fa mampita ny hafatr’Andriamanitra daholo. "Ny iraka tsy ambony noho izay naniraka azy", hoy i Jesoa, koa asaina isika ary iangaviana mba handray ny hafatra entin’ireny iraka ireny satria avy amin’Andriamanitra ireny ; ary fantantsika fa maro ankehitriny ireo olona irahin’i Jesoa hitory ny Vaovao Mahafaly koa aoka isika hazoto handray ireny, ary hijery izay sakana mahatonga antsika tsy handray sy hihaino ny Tenin’Andriamanitra.

Jesoa Tompo ô ! Omeo ny hery sy ny fanilovan’ny Fanahy Masina hatrany ireo izay antsoinao hanohy ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ; ary ampio izahay hahay andray izany na iza na iza irahinao hitory aminay mba hahafahanay mandray Anao sy mandray ny Ray eo amin’ny fiainanay ! Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...