Sabotsy 09 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14 — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mitohy ny fanentanan’i Kristy antsika androany ny mba hananantsika fanantenana fa tsy mandeha ho azy ny fiainantsika indrindra amin’izao vanim-potoanan’ny Paka izao fa misy izay hiafarantsika dia ao amin’Andriamanitra Ray. Izany fanentanana izany ilay mbola tohizin’ireo iraka mandrak’ankehitriny dia eo ny Papa nanentanta antsika tamin’ny fitsidihana nataony teto mba ho mpamafy fiadanana sy fanantenana ; dia ny fanantenana ny fiainana mandrakizay.

Izy Kristy milaza amintsika fa tsy mahita ny Ray na oviana na oviana isika raha mandingana an’i Kristy. Izay ilay tsy maintsy mandalo an-tanan-tohatra fa tsy tonga dia any am-bovonana ary mazava ny fampianaran’i Kristy amintsika amin’izao herinandron’ny Mpiandry ondry tsara izao ny amin’ny hoe mpangalatra avokoa izay tsy mandalo ny vavahady satria Izy no Vavahady hidirantsika mankany amin’ny Ray.

Fandre matetika ao amin’ny Baiboly ny teny hoe : "Andriamanitra" na "Ray mpahary an’izao rehetra izao". Tsy misy izao rehetra izao raha tsy Izy no nahary ka tsy mahagaga raha mangetaheta hahafantatra Azy ny kristianina maro. Tsy omena tsiny i Filipo raha miteny hoe : "Asehoy anay ny Ray" satria io no ambetitenin’i Jesoa matetika nefa tsy hitan’izy ireo akory hoe iza ary aiza izany Ray izany. Mazava anefa ny tenin’i Kristy fa Izy sy ny Ray dia iray ihany, ary isika rehetra koa no tian’i Kristy hahalala ary hino fa endrik’ilay Andriamanitra tsy hita i Kristy. Tsy mbola nisy mantsy olona nahita tarehy Azy na dia ireo mpaminany aza. Tamin’ny endriky ny lelafo ohatra no nisehoany tamin’i Moizy tao amin’ny Testamenta Taloha. Fa ao amin’ny Testamenta Vaovao kosa dia ny Zanany lahitokana no nirahiny hanambara Azy satria iray ihany Izy sy ny Zanaka.

Noho izany, ireo mangetahetaheta hahita ny Ray – toy ireo Apôstôly – dia efa nahita ny Ray sahady satria izay mahita ny Zanaka dia mahita ny Ray koa. Io ilay antsoina hoe : "Andriamanitra tokana Olona telo" : ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina ; ao amin’ny "misterin’ny Trinite Masina" izay fototry ny finoantsika sy fototry ny fiainana kristianina. Sarotra ho antsika olombelona ihany ny hahatakatra izany mistery izany raha tsy eo ny finoana. Ny finoana ihany mantsy no afaka hampifikitra antsika amin’ny tsiambaratelon’ny fitiavan’Andriamanitra tsy misy fetra ho antsika.

Ampirisihina ary isika hazoto hamaky sy handalina ny Baiboly mirakitra izany mistery izany. Amin’izao fotoana izao dia mbola maro ny olona te hahita an’Andriamanitra. Nefa enga anie tsy hijanona ho faniriana fotsiny izany fa mba hampirisika antsika indrindra handalina ny finoantsika. Fampanantenana ho antsika io tenin’i Kritsy amintsika androany io hoe : "Izay mino Ahy, dia hanao ny asa ataoko koa, ary hanao mihoatra noho izany aza izy…". Koa mahereza àry isika amin’izany.

Jesoa Tompo ô ! Ampitomboy ny finoanay ary tariho izahay handalina azy bebe kokoa hatrany mba hanananay ny tena fiainana ao aminao ary hahafantaranay Anao sy ny Ray. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...