Zoma 15 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 12-17 — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

0 : 00

“Tsy misy manam-pitiavana lehibe kokoa noho ny mahafoy ny ainy ho an’ny sakaizany”. Manamafy ny fampiharana ny didy napetrany i Kristy mba hitoerana ao amin’ny fitiavany hatrany, izany mantsy no hanaporofoina ny maha-mpianatr’i Kristy : “Ny andidiko anareo dia ny mba hifankatiavanareo, tahaka ny nitiavako anareo !”. Ny didim-pitiavana dia mba handavorariana ny fiainana miaraka amin’i Kristy eny fa na dia hiaretana ny fijaliana aza satria Izy efa niaritra ny mafy noho ny fitiavany antsika, izany no mampiseho fa tsy mora ny manatanteraka ny didy raha te hotiavina sy te hitia : “Mahafoy ny aina ho an’ny sakaiza”. Manaporofo izany fa ny “fetran’ny Fitiavana dia ny hazofijaliana miaraka amin’i Kristy !”. (La mesure de l’amour, c’est la croix !).

Koa mampianatra antsika hiaina ao anatin’ny tena fitiavana àry i Kristy eto amin’ny fanarahana sy fanatanterahana ny didiny, ka tsy hoe amin’ny maha didy azy no jerena fa amin’ny maha-hatsaram-panahy mampiseho ny maha mpianatr’i Kristy antsika. Koa alao hery àry fa aza kivy satria “Izy no nifidy antsika sy nanendry antsika mba handehanantsika ary hahavokarantsika miaraka Aminy ao amin’ny Ray !”. 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...