Talata 02 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 13-17 — Izaho no lala sy fahamarinana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.

0 : 00

Tsara ho fantantsika ihany fa ny Evajelin’ny Masindahy Marka dia mifarana eo amin’ny toko faha-16. Anio isika dia manohy ny toko faha-12. Izany hoe, efa mizotra any amin’ny fiafaran’ny iraka naniraha Azy i Jesoa. Koa, tsy mahagaga àry raha tantaraina anio ny hoe efa mikonokonona na mivorivory antsokosoko sy mitady fomba hamandrihana an’i Jesoa ireo mpanohitra azy. Dia jereo anie ny fomba na fiteny entin’ireo maka fanahy an’i Jesoa : “Ry mpampianatra ô, fantatray fa marina ianao”. Ary ny namandrihany azy dia hoe : “mety ve ny mandoa hetra ho an’i Sezara ?”. Efa mampianatra antsika sahady izay eto hoe : tandremo fandrao fakany fanahy anao no hiresahan’ny olona aminao ; diniho tsara ny valinteny atao fa mety misy efa miandry ankendritohana amin’ny valinteninao fotsiny.

Dia izao, ataoko fa tsy fomba tahaka izany no tokony hiatrehana ny hevitra tsy mitovy. Tsy vahaolana ny fosafosa na fanalam-baraka atao etsy sy eroa. Tsy vahaolana ihany koa ny fihatsaram-belatsihy : rehefa mifanatrika mitsiky, rehefa miamboha manozona. Tsy vahaolana hatrany ny mandoka be fahatany. Ekena fa misy ny antsoina hoe diplomatie sy fomba fampitan-javatra. Kanefa, raha fanasohasoana sy fandokafana be fahatany, tandremo fa manimba io. Ary mbola tsy vahaolana hatrany ny maka fanahy : mitsapa olona na mitsapa an’Andriamanitra.

Ry kristianina Havana, na dia manoloana olona haka fanahy Azy aza i Jesoa eto, dia manararaotra nampita fampianarana Izy. Ny valinteniny dia hoe : “aloavy ho an’i Sezara izay an’i Sezara ary ho an’Andriamanitra izay an’Andramanitra”. Te hiteny i Jesoa fa tsy tokony hifanipaka ny maha-olon’Andriamanitra sy maha-olom-pirenena. Izany hoe : tsy natao hanoloana na hanakonana na hanimbana ny maha-olom-pirenena akory ny maha-kristianina. Raha kristianina tsy mivory amin’ny fokontany, kristianina tsy mandoa hetra, ny kristianina tsy mandeha mifidy, ny kristianina tsy manaraka lamina toy ny hoe manao cache-bouche mampieritreritra izany. Dikan’izany, ny hafatra tian’i Jesoa hampitaina dia hoe : hiaino ny maha-olom-pirenena anao ary hiaino ny maha-kristianina anao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...