Zoma 05 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 35-37 — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo ; ny baikonao mazava manilo ny maso.

0 : 00

Ao an-tempoly i Jesoa no mampianatra ary liana tamin’ny fampianarany ny olona, ka nihaino Azy an-kafaliana. Efa misy fampianarana lehibe ho antsika sahady hoe ny vokatry ny fihainoantsika ny tenin’Andriamanitra ao am-piangonana dia tokony ho hafaliana. Tsy misy tenin’Andriamanitra mampilofika, mampitondra fahoriana izany, fa mampitraka sy manome hery no misy. Noho izany, raha tianao hiova ny fiainanao, raha tianao ho heniky ny hafaliana ny fo amam-panahinao, mandehana any am-piangonana ary henoy tsara ny tenin’Andriamanitra. Na rehefa tsy afaka mankany am-piangonana noho ny antony lehibe dia raiso ny Baiboly dia vakio. Ny zava-misy hita anefa indraindray mandeha any am-piangonana nefa tsy misy fioavana ny fiainana, sao dia mandre olona miteny fotsiny fa tsy tena nihaino, samy hafa mantsy izany. Ny mahare, tsy mahatadidy fa ny mihaino no mahatadidy dia miaina. Dia jereo anie ireto olona avy nihaino an’i Jesoa, tonga dia hafaliana no nanenika ny fony.

Inona àry ilay fampianarana nentin’i Jesoa eto ?

Miainga amin’ny fametrahana fanontaniana izy : ahoana moa no lazain’ny mpanora-dalàna fa i Kristy dia zanak’i Davida nefa i Davida aza miantso Azy ho tompony ? Entina ilazana amintsika fa na ny mpanora-dalàna aza, mpahay Soratra Masina mbola tsy mahalala hoe iza marina i Kristy, raha tsy efa nomen’Andriamanitra finoana hahafantatra Azy. Misaora isika Azy fa io finoana io dia fanomezana avy Aminy. Koa eto àry, ny fampianarana tian’i Jesoa ampitaina dia hoe Andriamanitra Izy. Tsara ho marihina amintsika aloha, fa ny Evanjelin’i Masindahy Marka amin’ny voalohany ka hatramin’ny farany dia mamaly ny fanontaniana foana hoe iza i Jesoa Kristy ? Any amin’ny toko faha-15 io dia voavaly hoe tena zanak’Andriamanitra tokoa Izy. Tsy manilika ny maha-taranak’i Davida ara-nofo Azy anefa izany. Efa nisy talohan’ny fotoana rehetra Izy, fa naka nofo dia nidina tety amintsika. Noho izany, amin’ny maha-Andriamanitra Azy dia tsy lavitra antsika Izy, koa miezaha hatrany isika tsy hanalavitra Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...