Sabotsy 06 jona 2020 — Herinandro fahasivy mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44 — Misaotra Anao aho, ry Raiko, tompon'ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin'ny madinika ny tsiamaratelon'ny fanjakanao.

0 : 00

Ao amin’ny tapan’ny voalohany amin’ny Evanjely dia miresaka amin’ny vahoaka i Jesoa. Ny lazainy dia ny mahakasika ny fitondran-tenan’ireo mpitondra vahoaka, dia ny mpanora-dalàna. Ireo mantsy dia anisan’ny mpitantana ao amin’ny Fiangonana. Dia hoy Izy hoe : “mahîna amin’ny mpanora-dalàna, miseho manao fivavahana lavareny nefa mihinana ny fananan’ny mpitondratena”. Ny tiana hambara dia hoe tsy mety raha atao fitaovana hitadiavana tombon-tsoa no anaovana asa ao am-piangonana. Mampalahelo raha misy olom-piangonana tia kely, manao fitantanana tsy mety nefa misy volan’ny mahantra no miasa ao. Dia io ilay hoe “mahîna ianareo”, izany hoe aza atao sakana tsy hanaraha-maso ny fifampitokisana.

Izay ny tapany voalohany, fa amin’ny tapany faharoa kosa dia mitodika amin’ireo vahoaka i Jesoa ary mijery ny rakitra ataony. Ary tamin’ny farany dia nolazainy fa ny mpitodratena mahantra no nanatitra fanatitra be indrindra, satria tsy ambim-bava no narotsany fa izay rehetra nananany. Inona àry no fampianarana tiana hotsoahina amin’izay eto ? Rehefa mitsangana manatitra rakitra isika ao am-piangonana, dia i Jesoa mihitsy no mijoro eo ka mahita izay alatsakao ao ary mahafantatra ny mombamomba anao (mahantra ity, manana ity). Izany hoe fantany izay nataonao ary fantany hatramin’izay mbola eo am-pelatananao aza. Koa izany no mahatonga azy miteny hoe : “ny an’itsy dia ny ambim-bavany no natolony”. Misy tokoa anie sahy manao ariary zato tapaka sy roanjato tapaka amin’ireny e, nefa dia fanatitra atolotra ho an’Andriamanitra izao. Hitan’i Jesoa ireny na tsy hitan’ny namanao aza.

Fa, ny tena tiana hambara dia hoe : amin’ny ataontsika, na rakitra, na fanatitra hafa, na fanoloran-tena na fitantanana dia mijery ary mahita antsika i Jesoa. Ireny rehetra ireny mantsy dia endriky ny fiainantsika atolotra miaraka amin’ny soron’i Kristy. Noho izany, ny tolotra ankasitrahan’Andriamanitra dia tsy hoe ny habetsahany fa izay voaomana, izay mendrika ary vokatry ny fo. Raha rakitra no atolotra : izay voaomana sy mendrika atao ; raha fanatitra : izay voaomana sy mendrika atao ; ary raha ny fiainanao no atolotra an’Andriamanitra, fiainana mendrika atolotra Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...