Alarobia 17 jona 2020 — Herinandro faha-11 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masina nosoratan'i Masindahy Matio 6, 1-6. 16-18 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao, ary tariho ho amin'ny fahamarinanao aho.

0 : 00

Eto indray mitaona antsika ny fampianaran’i Jesoa tsy hitady valiny avy hatrany na ho tia sehoseho rehefa manao zavatra fa Izy Andriamanitra mahita ny miafina sy izay ataontsika. Maika mihitsy manko isika mitady valisoa amin’izay ataontsika matetika satria ohatran’ny tsy nanao na inona na inona rehefa tsy misy mahita na tsy hahazoana tambiny izay atao. Asa, tsy andry angamba ny valisoa hatolotr’Izy Ray amintsika ny amin’izany ? Na ahoana ? Fa ny valy eo no ho eo, na ny hita maso mivaingana no tena mahamaika matetika. Mazava anefa eto ny tenin’i Jesoa hoe : “Tandremo sao ataonareo eo imason’ny olona ny asa soa hataonareo mba hahitany azy ; fa raha izany, dia tsy hahita valisoa amin’ny Rainareo izay any an-danitra ianareo”. Tsarovy fa ambony sy tsara lavitra noho ny hitantsika ny Azy Ray amin’izany ka aoka izany no imatimatesantsika, sady izao, rahefa azontsika ety ny valiny, inona intsony moa no mbola omen’Izy Ray indray avy eo ?

Tenin’Andriamanitra fandroso amintsika isaky ny hanomboka ny Karemy isika ity henontsika teo ity. Midika izany fa tsy amin’ny fotoanan’ny Karemy ihany no anaovana izay voalaza ao fa azo atao mandavan-taona mihitsy ; izany hoe na amin’ny fotoana na tsia, fa tsy iandrasana Karemy foana akory ny fiantrana sy ny mivavaka ary ny mifady hanina. Zavatra telo mifampiankina sy mifameno ireo. Efa nodinihantsika lalina sy niainana tamin’izany fa fanantitraterana no atao eto. Azontsika rehetra iainana tsara ireo na toy inona na toy inona misy antsika. Ny tsy mety dia atao fialokalofana fotsiny izay mahazo antsika hoe : “Ka izahay efa mahantra, izahay efa toy izao na toy izatsy” Na izany aza ve dia tsy ho afaka hifanampy sy hifamonjy ? Tsarovy mandrakariva ny hirantsika hoe : “Izay manome sy mizarazara ny kely an-tanany ho an’ny hafa : mihary lova soa izay tsy mety simba ! Mba sambatra” Koa aoka tsy ny fireharehana na fizahozahoana na fisehosehoana no hanosika antsika hanao asa fiantrana fa isan’ny adidy takian’ny maha kristianina antsika ny mifanampy sy ny mifamonjy. Diso lalana isika raha ny ho hitan’ny olona no mahamaika antsika.

Toy izany koa ny mivavaka : aoka tsy noho ny fahatahorana an-dranona sy ranona, toy ny hoe sao bedin-dry Mompera, Masera na Frera na katesista na ny Filan-kevitra na ireo ray aman-dreny na ny mpampianatra no ivavahana fa ataovy toy ny rivotra iainana ny maha kristianina ny vavaka satria lalana tsara indrindra ifandraisana amin’Andriamanitra izany ka tsy mahazo aina raha tsy mivavaka. Mila mivavaka isika sady tsy maintsy mivavaka na misy mahita na tsia.

Farany ny fifadian-kanina : famolahan-tena izany, hanaketrahana ny filan’ny nofo ary mba hahazoan’ny hafa fanampiana ka tsy ilana dera sy laza amin’ny hafa, fa ezaka ataon’ny tsirairay na ny iray trano na iray fikambanana fa tsy aderadera na ambarambara amin’ny besinimaro. Ataovy am-panetren-tena sy miafinafina izany. Aoka Izy Ray no hahita antsika manao an’izany mba hanomezany valisoa antsika.

Raha fintinina dia aoka Izy Ray any an-danitra no hanasohaso sy hamaly ary hanome tambiny antsika fa tsy ny olona avy hatrany amin’izay zavatra ataontsika amin’ny ara-panahy. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...