Alakamisy 02 jolay 2020 — Herinandro faha-13 mandavan-taona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 1-8 — Fanilon'ny tongotro ny teninao, ry Tompo, ary fanazavana ny lalako.

0 : 00

Mitohy hatrany ny asa fanirahana nataonʼi Jesoa na ny zava-mahagaga izay nasehoany teo anatrehanʼny vahoaka mba ho voninahitrʼAndriamanitra. Eto dia nanasitrana lehilahy malemy iray teo am-pandriana Izy, noho ny finoanʼilay malemy sy ireo mpitondra Azy. Ny famonjena antsika olombelona mantsy dia miankina amin’ny finoantsika aloha. Ny finoana tokoa no mahavonjy. Raha fanasitranana àry no nataonʼi Jesoa, dia teny famelan-keloka no nanampiany anʼilay malemy nositraniny : "Matokia anaka, fa voavela ny helokao". Midika izany fa rehefa manasitrana i Jesoa dia tsy ny ara-batana ihany no sitraniny eto fa indrindra ihany koa ny ara-panahy. Ny famonjena ny fanahintsika no tena zava-dehibe Aminy.

Etsy ankilanʼizay anefa dia tsy nahafaly anʼireo mpanora-dalana ny teny nataonʼi Jesoa namela heloka. Aminʼizy ireo mantsy dia Andriamanitra irery ihany no afaka mamela heloka. Eny, na ireo vahoaka ary tamn’izany, nihevitra anʼi Jesoa ho mpanasitrana fotsiny ihany fa tsy hoe ZanakʼAndriamanitra. Manoloana izany àry dia nambaranʼi Jesoa mazava tsara fa ny zanakʼolona dia tsy iza fa ny tenany ihany, dia manam-pahefana ety an-tany hamela heloka. Izy no manasitrana ny fahalementsika ara-panahy. Izany fahefana izany dia nampitainʼi Jesoa tamin’ny Eglizy amin’ny alalanʼny sakramentanʼny fampihavanana. Io no sakramentanʼny fahafahana sy mampiombona antsika indray amin’Andriamanitra be fitiavana sy be indrafo.

Ankehitriny àry dia hitantsika fa betsaka ny olona no manenjika hoe aiza no antokom-pivavahana misy fahagagana sy fanasitranana mba hiderana anʼAndriamanitra. Adinonʼizy ireo tokoa mantsy fa ny fanasitranana ara-panahy no tena zava-dehibe, satria i Jesoa dia tsy mpanasitrana fotsiny fa indrindra mpamela heloka.

Ny finoantsika sy ny fahatokisantsika anʼAndriamanitra àry dia tsy tokony ankinintsika amin’ny famantarana ivelany toy ny fahagagana sy ny fanasitranana ara-batana fa amin’ny fitiavantsika Azy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...