Talata 07 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 32-38 — Velomy araka ny hatsaram-ponao ; mba hitandremako ny fanambarana avy amin'ny vavanao.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mitohy ny fanaporofoan’i Jesoa amin’ny asa ny fampianarana nataony. Mampianatra antsika izany, voalohany indrindra, tsy hijanona fotsiny eo amin’ny sehatry ny hoe mino dia mitsetsetra eo fa arahina asa izay finoana izay. Ny vavaka, hoy ny mpanoratra iray izay dia tolona fa tsy sento. Faharoa dia hoe tsy hijanona eo amin’ny sehatry ny fitenenana na fanentanana na kabary ambony vavahady fotsiny na hoe kobaka am-bava fotsiny fa mirotsaka an-tsehatra manao ary mitarika ny olona. Izay no anisan’ny fampiharantsika ny Evanjely eo amin’ny fiainantsika : io fiainantsika io no Evanjely velona mivelatra ho an’ny hafa ka mitarika azy ireo hino ary hanatanteraka koa.

Fahagagana iray hafa indray ity asehon’i Jesoa amintsika androany ity, izay miompana mandrakariva amin’ny famonjena na ny fitsinjovana ny aina. Manoloana izany dia mizara roa ny fomba fijery sy famakafakan’ny olona ary fandraisany ny fahagagana ataon’i Jesoa. Ireo tso-po ary mandray ny teniny dia mandray izany ho hery sy fahefana avy amin’Andriamanitra fa ireo be saina koasa dia mahita zavatra hanoherana izany ary mitady fomba handavana foana. Izay ilay vavak’i Jesoa hoe nambaranao tamin’ny madinika sy ny tso-po na tsiambaratelon’ny fanjakanao fa nafeninao tamin’ny hendry sy ny be saina kosa. Toy izany tokoa anie ny zava-misy hiainantsika e ! Antony anankiray mahamora na mahasarotra ny asa fitoriana ny toy izao satria misy ny mora mandray ary manatanteraka an-tsakany sy an-davany, misy kosa anefa ny sarotra mandray na malaina handray na hino na dia marina izao aza no ambara azy. Ny ao an-tsainy dia ny hanohitra foana ary ny ao am-pony dia ny fankahalana ka takona amin’ny masony ny marina izay mitondra fahazavana ho azy. Na any amin’ny sehatry ny raharaham-bahoaka any aza dia toy izany no miseho ka sarotra na ny hampandroso aza.

Eo anatrehan’izany anefa dia tsy mihemotra i Jesoa fa miantso hatrany, manentana antsika hirotsaka, hikatroka eo amin’ny sehatry ny Fiangonana, eo amin’izao tontolo izao fa maro ny asa miandry ao. Be ny vokatra hoy Izy fa ny mpijinja no vitsy. Mazana manko dia ny mirotsaka sy ny manao ihany no manao (ireny ilay kristianina pratiquants) fa ny tsy manao na ny mivavaka aza manahirana azy (ireny ilay kristianina matimaty). Ny hiangavian’i Jesoa antsika anefa eto dia mba hivavaka farafaharatsiny mba ho maro no hirotsaka rehefa tsy vonona ianao. Manentana antsika àry hanao tsy tapaka ny vavaka ho an’ny fiantsoan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...