Alarobia 08 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 1-7 — Efa nataoko hoe Sakaiza ianareo, hoy ny Tompo ; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Ray.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mitohy ato amin’ny toko faha-10 ato ny fampianarana sy ny fanentanana nataon’i Jesoa omaly. Raha niangavy izy mba ho maro ny mpijinja noho ny vokatra betsaka dia eto kosa izy dia maniraka, ka ireo Apôstoly 12 izay tena akaiky azy no hirahiny voalohany, fa isika vita batemy rehetra dia iraka avokoa. Matoa manko maniraka ny olona iray dia matoky fa hahavita izay iraka ampanaovina azy ilay irahina, ary ireto Apôstoly ireto izay nanaraka an’i Jesoa, tsy nisaraka taminy dia efa nofaniny tsara amin’izany iraka izany.

I Matio moa eto amin’ity toko ity dia tsy nanao tahaka ireo Evanjelista hafa izay mitantara ny niandohan’ny antso niantsoana ny tsiraray fa tonga dia izy 12 miaraka no nantsoiny, hoy izy, ary nirahiny. Ireo ilay vato fototra 12 andrin’ny Eglizy ka ny anarany hoe Apôstôly dia mamaritra ny maha iraka azy. Toetran’ny Eglizy rahateo moa izany : iraka na “missionaire”, hitory ny famonjena amin’ny olona rehetra araka ny ambaran’ny kônsily Vatikana II ao amin’ny Sori-dalana momba ny Asa fampielezana ny finoana ataon’ny Eglizy laharana faha-2. Ny Papa sy ireo Eveka rehetra no dimbin’ireo Apôstôly ireo ankehitriny, ary famantarana hita maso maha velona ny Eglizy sy mamelona hatrany ny maha iraka azy. Koa hivavaka hatrany isika ho azy ireo manoloana ny fitsapana henjana mahazo ny Eglizy ankehitriny ka manohinothina ny iraka miandry azy ireo.

Na eo aza anefa ireo 12 ireo dia misy ny misongadina toa an-dry Piera, izay voafidy ho filohan’izy ireo ary re matetika, fa misy kosa ireo izay tsy mba fandre mihitsy tahaka an-dry Tade. Zava-misy eo amin’ny Eglizy izany mandrak’ankehitriny. Vao omaly isika no niresaka teto hoe na samy kristianina izao aza dia misy ny tena mpikatroka fa misy koa ny matimaty. Nirahina anefa ireo, ary irahina koa isika handroaka ny fanahy maloto ary hanasitrana ny marary sns. Anisan’ny voahiraka tao koa i Jodasy saingy raha izy no natao handroaka ny fanahy maloto dia izy indray no nidirany. Aoka isika hitandrina fa na iraka aza isika dia mitombina hatrany ilay tenin’i Kristy hoe : eo amin’izao tontolo izao ianareo fa tsy olon’izao tontolo izao. Tanteraho araka ny rariny sy ny hitsiny ary araka ny tokony ho izy àry ny iraka manandrify antsika tsirairay avy. Aoka isika handeha lavitra fa tsy hianona eo an-toerana fotsiny amin’ity iraka ity araka ny fanentanan’ny Papa François antsika hoe “Eglizy mivoaka”, ary ao anatin’izany isika dia ho mpamafy fiadanana sy fanantenana ho an’ny olona rehetra.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...