Zoma 10 jolay 2020 — Herinandro faha-14 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 16-23 — Hamirapiratra tahaka ny fahazavan'izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin'ny fahamarinana.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mbola mitohy hatrany ny fanafatrafarana sy fampiomanan’i Jesoa ireo Apôstôly irahiny mahakasika ny zavatra tokony hataon’izy ireo sy ny miandry azy any. Tsy zavatra mora no miandry azy ireo fa tena zavatra sarotra tokoa kanefa dia mila ny fahavonon’izy ireo hiatrika izany ary handresy ny tahotra sy ny tebiteby rehetra. Mitohy aty amintsika manohy ny iraka amin’ny maha iraka ny Eglizy izany hafatrafatra izany ka tokony ho raisintsika tsara ary hiainantsika ho entintsika mamita iraka koa. Misy zavatra roa àry hanamafisany ny fo amam-panahy sy ny sain’ireo Apôstôly ireo amin’ny zavatra miandry azy ireo. Araka ny Evanjely naroso tamintsika teo dia ireto avy satria miandry antsika koa izany.

Voalohany dia hijoro ho vavolombelony eo amin’izao tontolo izao. Izao tontolo izao izay hifangaroaron’ny ondry aman’ambodia. Irahina ho eo afovoan’ireny isika. Tsy mora ny ho mijoro vavolombelona amin’izany satria ny ankamaroan’ny olona, indrindra isika irahina any anivon’ireny any, dia lasa mahazo ny lalivain’izy ireny ka miova na very hatramin’ny fahasoavana kely azo maimaim-poana voalazantsika omaly teto. Ny takiany amintsika dia ny mba ho malina mandrakariva, ary mba ho tsotra ihany koa. Biby no alainy ohatra amin’ireo toetra ireo fa miantso antsika ho vonona hiatrika izany.

Faharoa dia ny fahatokisana tanteraka azy maniraka antsika amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ampiarahiny amintsika isan’andro. Efa voafaritr’i Jesoa tamin’izany ny zava-misy iainantsika ankehitriny : fifandrafesana amin’ny endriny maro isan-karazany. Tsy mijery intsony izay hoe havana, namana, olom-pantatra na fianakaviana, olona iray finoana amin’ny tena fa mifamono sy mifampitory ary mifanameloka sns. Zavatra miandry antsika izany. Vao mainka moa ankehitriny hasarotin’ity valan’aretina Covid-19 ity, dia miha mafy orina ny fisaraham-bazana. Ny tenin’i Jesoa amintsika dia ny hatoky fa na enjehina sy torina amin’ny fitsarana aza isika dia ny Fanahy Masina no hiteny hiaro antsika. Tsy maintsy misy ny fanenjehana fa aoka izany tsy ho sakana na oviana na oviana tsy hanaovantsika ny iraka manandrify antsika. Izao tontolo izao no sehatra anirahana antsika ka mazava ny namaranan’i Jesoa ny Evanjely teo, fa raha enjehina amin’ny toerana iray dia mandehana mifindra indray fa tsy hahatety an’izao tontolo izao akory isika. Mankahery antsika mandrakariva ary manoloana izany.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...