Alatsinainy 13 jolay 2020 — Herinandro faha-15 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 10, 34 – 11, 1 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko Izy ; ka ho tian'ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

0 : 00

Vao tsy ela isika no nandre ity Vaovao Mahafaly alahatry ny Finagonana anio ity, tamin'ny alahady faha-13 mandavantaona lasa teo, izay nanomezan'ny Fiangonana fotokevitra hoe : "Ny soa atao levenam-bola". Tsy midika akory ity tenin'i Kristy ity hoe "Ataovy tsinontsinona ny rainao sy ny reninao", na hoe "Akahalao izy ireo", fa mitaky fanapahan-kevitra hentitra Izy eo am-panatanterahana ny iraka ampanaoviny. Toromarika omeny ny mpianany na ny Apôstôly izay handimby raharaha azy mantsy ity voalazan'i Masindahy Matio ity. Tsy maintsy manana fahafoizana izay manaraka Azy, ka anisan'izany ny fahafoizana ny ray, ny reny, eny hatramin'ny aina aza noho ny fitiavana Azy. Koa takiany mba hanana fitiavana Azy mihoatra noho ny fitiavana ny ray sy ny reny, ny zanany lahy sy ny zanany vavy izay manaraka Azy.

Tsy hoe manohitra ny didy fahefatra i Kristy, raha nanao io fampianarany io tamin'ny Apôstôly, fa te hametraka tsara Izy fa ny fifikirana amin'ny zavatry ny tany dia tsy maintsy ampandeferina. Miteraka fijaliana anefa izany raha ny amin'ny maha-olona fotsiny, nefa tsy maintsy atrehina raha te ho mendrika Azy. Ny fanarahan-dia an'i Kristy, ny fiainana kristianina, ny maha mpino kristianina anao  dia mety miteraka fifanoheran-kevitra amin'izay manakaiky anao, izay ilay ambaran'i Kristy hoe : "Aza ataonareo fa tonga hitondra fiadanana eto an-tany Aho ;  tsy hitondra fiadanana no nahatongavako, fa hitondra sabatra ; fa tonga Aho hampisaraka ny zanakalahy amin'ny rainy, sy ny zanakavavy amin'ny reniny..." Izay ilay hazofijaliana tsy maintsy atrhina. I Kristy dia mangataka amintsika mba hanana fahafahana isika hanakaiky Azy kokoa. Amin'i Kristy dia tsy tokony hisy fisalasalana mihitsy ny hampandeferana ny filana rehetra eto an-tany  noho ny fanarahana Azy. Izy no atao laharam-pahamehana fa ny sisa dia fanampiny ihany : "Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay hahafoy ny ainy noho ny amiko kosa no hahavonjy azy". Koa katsaho àry aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany, fa homeny anao ho fanampiny ny sisa rehetra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...