Alahady 19 jolay 2020 — Alahady faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-43 — Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin'ny Raiko.

0 : 00

Fampianarana momba ny Fanjakan’ny Lanitra moa ny fampianarana entin’i Jesoa eto. In-telo miatoana no anoharany ny Fanjakan’ny Lanitra eto : lehilahy mamafy voa tsara amin’ny taniny ; voatsinapy afafy amin’ny tanimboly ary lalivay natao ao anaty koban-dafarinina. Andriamanitra no ilay Lehilahy tsara namafy voa tamin’ny taniny. Andriamanitra no iavian’ny soa sy ny tsara rehetra. Izay rehetra nohariany dia tsara avokoa ary ireny no entiny manasoa antsika olombelona. Dia ny fialonan’ny demony no nahatonga ny ratsy ary ireny matetika no miseho eny amin’ny fiaianantsika eny. Koa raha misy ny fanontaniana apetratsika manao hoe : “Fa maninona no misy ny ratsy”, dia ity fampinaran’i Jesoa ity no mamaly azy. Toa mifanila toerana eny foana ny tsara sy ny ratsy. Maro ny zava-midona amin’ny fiaianantsika : ny aretina, ny alahelo, ny fahantrana, ny fahadisoam-panantenana, ny eritreritra manenjika noho ny fahotana natao sy izay rehetra tsy voatanisa ; kanefa isika zanak’Andriamanitra no iantefan’izany. Etsy andaniny koa anefa, tsy ny ratsy ihany no manjaka eo amin’ny fiainantsika fa eo koa ny tsara toy fahombiazana vokatry ny ezaka ataontsika, ny asa fitiava-namana ka hahafahantsika mifampitsinjo, ny fijoroan’ny Fiangonana ho Fahazavana eo amin’izao tontolo izao. Koa miseho eto amin’ity tontolo misy antsika ity ny tsara sy ny ratsy. Toy ny tanim-bary volena vary izao tontolo izao raha itoriana ny Vaovao Mahafaly. Tsy inona io tanimbary io fa ny fon’ny olona. Isika no ho fahazavana ao amin’ny Fiangonana. Saingy mbola hita taratra etsy sy eroa ny endrika isehoan’ny ratsy toy ny tsy fanajana ny aina, ny halatra isan-karazany, ny haratsiam-pitondran-tena, ny tsy fanajana ny zon’ny hafa, sy ireo rehetra tsy voatanisa eto.

Misy fiafarany anefa ny zavatra rehetra, araka ny ohatra voalazan’i Jesoa eto amin’ny fanoharana manao hoe : “Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana, fa raha tonga ny taom-pijinjana, dia ho lazaiko amin’ny mpijinja hoe ongoty aloha ny ahi-dratsy, dia fehezo ny amborany mba hodorana, ary angony any an-tsopitra ny vary”. Ny Fiangonana dia mijoro mandrakariva ho fahazavan’izao tontolo izao ka miezaka mampijoro ny Fanjakan’Andriamanitra, dia ny Fanjakan’ny rariny sy ny fiadanana, Fanjakan’ny fahamarinana sy ny fitiavana. Mitombo tsikelikely toy vary ambolena io Fanjakan’Andriamanitra io. Izany dia vokatry ny fijoroantsika kristianina hampanjaka io fahamarinana sy fiadanana ary fifakatiavana io ; fa etsy andaniny koa anefa ny fisian’Ilay Ratsy izay tsy mitsahatra misarika antsika ho kivy na tsy haharitra amin’ny hiantson’Andriamanitra antsika hijoro ho fahazavana sy ho fanasin’ny tany. Koa na eo aza ny sedra sy ny fitsapana maro miseho amin’ny fiainantsika dia i Jesoa Ilay Mpamafy ny voa tsara, Ilay nanisy leviora ny koba, ilay namboly ny voatsinapy, Izy hatrany no arahintsika sy Tompontsika. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...