Alatsinainy 20 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.

0 : 00

Ireto mpanora-dalàna sy Farisianina ireto, araka ny Evanjely nohenointsika teo, dia mangataka famantarana amin’i Jesoa. Fantany ary reny laza fa manao fahagagana etsy sy eroa Izy ka te hitsapa izy ireo na tena Irak’Andriamanitra tokoa i Jesoa, dia Ilay Mesia hamonjy an’i Israely na tsia. Mandalina ny Soratra Masina izy ireo ka tokony hahay handinika ny Bokin’i Jônasa Mpaminany. Ity Jônasa ity ilay natelin’ny trondro lehibe telo andro sy telo alina ary naloany avy eo ka lasa nampibebaka tanana lehibe antsoina hoe Niniva, nanatanteraka ny iraka namapanaovin’Andriamanitra Ray azy. Famantarana i Jônasa, satria i Jesoa koa dia hilevina telo andro ao anatin’ny fasana fa hitsangan-ko velona avy eo ary izany no tokony hampibebaka ny olona rehetra ka itodihany amin’Andriamanitra. Raisin’i Jesoa ho ohatra koa eto i Salômôna Mpanjaka, malaza noho ny fahendrena nananany ka nahatonga ny mpanjakavavy avy any atsimo nisahirana tonga hihaino azy. I Jesoa anefa Ilay Fahendrena lavorary tsy naharotitra ireto mpanora-dalàna sy Farisianina ny fihainoana Azy. Ny fibebahana no andrasan’i Jesoa amin’izy ireo ka hinoan’izy ireo fa Izy no Ilay mpamonjy nampanantenan’Andrimanitra hamonjy an’izao tontolo izao.

Mety koa isika indraindray ho azon’ny fakam-panahy hitady famantarana, miandry fahagagana ny sasantsasany amintsika, hany ka manenjika sy mamonjy vavaka atsy sy aroa fa hoe afaka manao fahagagana toy ny hoe mampanan-karena tampoka, manasitran,a ahazoana izao na izao ; ka izay fiangonana tsy mamaly izany filàna izany dia heverina ho tsy izy. Ny tanjon’ny Fiangonana tena izy, araka ny nanorenan’i Jesoa azy dia ny hitondra ny olona hatrany an-danitra, ho voavonjy sy ho sambatra mandrakizay any an-danitra. Ny fiainantsika isan’andro dia efa famantarana ny fitiavan’Andriamanitra antsika. Tsy maintsy haintsika ny mamantatra izany ; ilaina araka izany ny mahay mandinin-tena isan’andro eo anatrehan’Andriamanitra, ny mazoto mivavaka satria ny vavaka dia resaka ifanaovana amin’Andriamanitra Ray tia antsika, Izy izay Ray mangoraka sy mamindra fo amintsika. Koa satria mino isika fa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy, dia izany finoana izany no manentana antsika isan’andro ijoroantsika na aiza na aiza, na fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...