Talata 21 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 46-50 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian'ny Raiko, ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy.

0 : 00

Ny mpihavana dia mifampizara ny aina iombonana. Iray aina izay iray fihaviana : ray aman-dreny sy zanaka, mpiray tampo, dadatoa sy nenitoa... ireo izay atambatry ny rà iombonana. Toy izay fiheverantsika izay koa no fihevitr’ireto tonga teo antrehan’i Jesoa sy nilaza taminy hoe : “Indreo ny reninao sy ny rahalahinao ao alatrano, mitady Anao”. Tsy ho voafaritry ny fifamatorana amin’ny nofo aman-drà ihany no reny sy rahalahy ary anabavy, ho an’i Jesoa, fa izay rehetra manatanteraka ny sitrapon’ny Ray. Tenin’i Jesoa any ho any ny hoe : “ Ny sakafoko dia ny manao ny sitrapon’ny Raiko” ; eo koa ny vavaka nampianariny ny mpianany, izay vavaka ataontsika isan’andro manao hoe “ho tanteraka anie ny sitraponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra”. Ireo rehetra ireo no manambara fa ny olombelona vaovao dia mpiray tampo tokoa rehefa miantso an’Andriamanitra hoe “Ray” ; tonga iray tampo amin’i Jesoa, tonga iray aina Aminy, mpiray lova Aminy any an-danitra. Ny fifandraisantsika amin’Adriamanitra Ray dia tsy fifandraisana mangatsiaka, misy elanelana tsy hay hampifandraisana fa fifandraisan’ny Ray sy ny zanaka mifampizara tsiambaratelo eo amin’ny fiainana ; tsy manafina izay manjo ny tena, ary Izy Ray mangoraka sy mahatsapa izay manjoa antsika.

Koa Zoky maro zandry àry i Jesoa, ary maro anaka tokoa Andriamanitra Ray manana antsika zanany mivahiny ety an-tany ety, ireo zanany mbola midio ao amin’ny afo fandiovana ary ireo zanany efa sambatra mandrakizay efa mibanjina Azy any an-danitra. Noho izany, mpiray tampo isika olombelona rehetra satria samy zanaky ny Ray, samy iray aina Aminy, iray aina amin’i Jesoa. Izany rehetra izany no tanteraka dia noho fitiavany antsika. Nanaiky hifantsika sy ho faty eo amin’ny Hazofijaliana ho famonjena antsika ; tsy misy fitiavana lehibe mihoatra ny mahafoy ny aina ho an’ny hafa. Havantsika akaiky i Jesoa, nanafaka antsika amin’ny fahotana sy ny fahafatesana. Adidintsika kosa ny mifakatia, toy ny olona mpiray tampo rehetra, toy fifankatiavan’ny ray aman-dreny sy zanaka. Izay no hahatanteraka ny hoe fianankaviana iray ihany ny taranak’olombelona rehetra. Toetra tsy maintsy ezahantsika volena ao anatintsika ao io toetra ho tia ny olona rehetra toy nitiavan’i Jesoa antsika rehetra io. Ny sitrapon’ny Ray àry dia ny hahatonga antsika ho iray tanteraka ka hanana an’i Jesoa ho zoky ary hanana an’i Masina ho Reny, satria efa natolotr’i Jesoa ho renintsika izy tamin’Izy nifantsiaka teo amin’ny Hazofijaliana. Amen !

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...