Alarobia 22 jolay 2020 — Herinandro faha-16 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 1-9 — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

0 : 00

Fanoharana mahakasika ny fambolena no entin’i Jesoa eto amin’ny fampianarany eto. Ataony amin’ny alalan’ny fanoharana io fampianarana io mba hahasarika sy hampanongilan-tsofina an’izay mihaino Azy. Amin’izay, ireo mihaino hanakatra sy handinika izay tiany hambara hany ka hipetraka maharitra eo amin’ny fiainana ny lesona tiana hampitaina fa tsy handalo fotsiny ka hiditra amin’ny sofina havia fa hivoaka amin’ny sofina havanana. Mpamafy voa moa no resaka eto, izany hoe tapa-kevitra handeha hamafy vary. Ny vary afafy misy very eny am-piloloavana azy : ao ny latsaka amoron-dalana, ireny dia efa natao ho sakafon’ny voromanidina ; mitohy ihany ny dian’ny mpamfy, ka ao ny latsaka eny amin’ny tany be vato, nitsimoka ihany saingy tsy latsa-paka satria manify nofo ny tany hany ka malazo ; eo koa anefa eny am-pandehanana eny, misy tsilo maniry ny lalana, ny voa latsaka eny ho saron’ny tsilo. Ireo rehetra ireo dia tsy nitondra vokatra avokoa, tsy nisy nantenaina. Fa ireo tonga teny amin’ny tany lonaka kosa, nandrobona sy namokatra be. Ny telo voalohany dia tsy fahombiazana, fa ity farany kosa tonga tamin’ny niadrasana azy ny vokatra.

An’ohatra àry no nentin’i Jesoa manambara ny fitoriana ny Tenin’Andriamanitra sy ny Fanjakan’ny lanitra. Ny voalohany namafy ny voa eto dia i Jesoa : rentsika ombieny ombieny indray indray fa tsy afaka nandray ny Tenin’Andriamanitra sy Fanjakan’ny Lanitra notorian’i Jesoa ny olona sasantsasany tao amin’i Israely, raha tsy hilaza fotsiny afa-tsy ireo Farisianina sy Mpanora-dalàna, ireo mpiray fiaviana Aminy toy ireo tao amin’ny tany nahabe Azy. Fa misy kosa amin’ny toerana hafa nalehany nandray tsara ny fampianarany ka afaka nahazo ny famonjena. Namokatra be ny fitoriana ny Fanjakan’ Andriamnitra nilofosany. Ilaina ny fanetren-tena eo amin’ny fametrahana amin’ny toerany ny Fanjakan’Andriamanitra sy fitoriana ny Teniny. Indraindray mety ho sendra ny tsy fahombiazana, tsy atao mahakivy izany. Isika rehetra vita batemy dia manana adidy amin’ny fanitarana io Fanjakan’Andriamanitra io. Ny fon’ny olona no sehatra entina itondrana izany mba hibebahany sy hahazoany ny famonjena. Koa isika àry, no manohy ny asan’i Jesoa. Tsy hoe miasa irery isika fa miasa miaraka amin’ny Fanahiny Masina eo amin’ny andraikitra raisintsika ao amin’ny Fiangonana, eo amin’ny sehatra izay iandraiketantsika tsirairay avy. Mety ho tojo ny tsy fahalavorariana izany. Fa tsy hirehareha kosa isika raha mahomby izay ataontsika satria iarahana amin’i Jesoa koa ireny. Amen!

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...