Talata 04 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 1-2. 10-14 — Niteraka antsika an-tsitra-po tamin'ny tenin'ny fahamarinana ny Ray, mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

0 : 00

Eto am-piandohana dia miarahaba ny Pretra rehetra amin’izao fetin’i Masindahy Jean-Marie Vianney izao, ary manentana antsika kristianina hivavaka ho azy ireny sy hanohana azy araka izay azo atao.

Hidirantsika àry ny fanazavana ny Soratra Masina. Rentsika teo ny fanakianana nataon’ireo mpanora-dalàna sy Farisianina ny mpianatr’i Jesoa, ka nahatonga azy ireo nanontany Azy hoe : “Nahoana ny mpianatrao no mandika ny lovan-tsofina ary tsy manasa tanana izy raha hihinan-kanina ?” Dia izao aloha no azo ambara, tsy ny lovan-tsofina na ny fanasan-tanana akory no ratsy. Iaraha-mahalala fa anisan’ny nanaovana fanentanana totoafo izany tao anatin’ireny confinement ireny ary mbola mitohy mandraka ankehitriny ; ary anisan’ny fahaiza-miaina ihany koa. Ao amin’ny Soratra Masina aza dia takiana izany hofanajana ny hasin’ny zava-masina. Koa sahala amin’ny hoe rariny ny fiampangan’ireto mpanora-dalàna sy Farisianina ny mpianatr’i Jesoa ireto.

Avy amin’izay tranga izay indrindra àry i Jesoa, no manararaotra mampita ny fampianarany. Hoy izy hoe : “Tsy izay miditra amin’ny vavan’ny olona no mahaloto ny olona” ary any amin’ny Evanjely hafa dia tohizany hoe “…fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona”. Io izao dia efa maneho hoe tsy misy biby maloto izany. Mbola hitondrantsika fampianarana lalindalina io amin’ny manaraka fa ny tian’i Jesoa hampitaina aloha eto amin’ny Evanjely dia hoe : na mandro isan’andro aza isika, mampiasa izao karazana ranomanitra izao sy izay heverina ho hatsarana ety ivelany, kanefa mankahala olona, mpifosa sy mpanenjika ny mpiara-belona, ratsy fo, ratsy saina, ratsy fitondran-tena, mpanao vava ratsy… dia maloto eo anatrehan’Andriamanitra. Noho izany, ataovy mifanaraka mandrakariva àry ny ezaka fidiovana ety ivelany sy ny fahamarinana ary ny fitiavana ao anaty.

Ny azo ambara manaraka ihany koa dia ity fiarovan’i Jesoa ireto Mpianany. Miaro ary marary aina amin’ireo mpianany i Jesoa eto. Izany hoe, na inona na inona mety ho tsy fahalavorariantsika olombelona, rehefa mitoky amin’Izy Tompo dia miaro antsika Izy.

Ary farany, tafitohina na tezitra ireto Farisianina sy ny namany rehefa nandre ny tenin’i Jesoa sy ny fampianarany, tahaka ny hoe tsy nanaiky ahitsy sy tsy nanaiky atoro ireo. Ka ho antsika àry, raha te handroso ara-panahy, maneke atoro sy tantanin’ny Fiangonana satria mantsy “raha ny jamba ihany no mitari-dalana jamba dia ho any an-kady izy roaroa” hoy ny namaranan’i Jesoa ny fampianarany teo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...