Alakamisy 06 aogositra 2020 — Ny niovan'ny Tompo tarehy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 1-9 — Ity no Zanako malalako izay ankasitrahako, henoy Izy.

0 : 00

Matetika i Jesoa no mandeha irery rehefa mivavaka. Fa eto kosa Izy miaraka amin’i Piera, Jakoba ary Joany. Vavolombelona telo afaka mitory amin’ny olona ny zavatra hitany sy reny. Dia niainga tamin’ny fijoroan’izy telo mirahalahy ireo ho vavolombelona no nahafantarana an’ireto : voalohany, i Jesoa dia Andriamanitra manana ny voninahiny satria tonga namirapiratra rehefa niova tarehy ; faharoa i Jesoa dia zanak’Andriamanitra tsy maintsy henoina : “Ity no Zanako malalako, henoy Izy”. Ary fahatelo, tsy afaka sarahina tokoa amin’i Jesoa ny lalàna sy ny mpaminany. Izany no mahatonga an’i Moizy sy Elia voatonona ao anatin’io Evanjely io. Ka mila vavolombelona izany mba ho tafita ny Vaovao Mahafaly. Ka izany no nitondran’i Jesoa an’Izy telo mirahalahy.

Fa, heviny hafa ihany koa ny hoe : ny fiovan’i Jesoa tarehy, dia tandindon’ny fitsanganan-ko velona. Nasehony io hankahery ny mpianatra mba hanamafy ny finoan’ireo. Izao mantsy, ny fampianaran’i Jesoa dia hoe hampijaliana Izy, hovonoina, ary hitsangan-ko velona, izany hoe tsy maintsy hohitan’ireo mpianatra ireo fa ho rotika ny tarehiny, haratra izy... Tsy ho zakan’ireo izany raha tsy efa manam-pinoana izy ireo : hamirapiratra Izy rehefa mitsangan-ko velona. Dia efa mampianatra antsika mianakavy ihany koa izany fa indray andro any tsy maintsy hitsangan-ko velona isika, ka raha te hamirapiratra tahaka an’i Kristy, araho ny fampianaran’ny Fiangonana, ento am-bavaka ny fiainana ary aza kivy na manoloana fijaliana aza.

Tohizantsika ihany ny fanazavana ny Soratra Masina. Hojerentsika hoe nanao ahoana ny fihetsehampon’izy telo mirahalahy rehefa avy niatrika an’i Jesoa niova tarehy ? Dia rentsika teo fa tena maivamaivana Izy ireo, nahita tsirony ary tsy te hiala eo intsony. Hitantsika amin’ny teny nolazain’i Piera izany hoe : “Mahafinaritra ny mitoetra aty ; ka raha sitrakao andeha hanao lay telo aty”. Noho izany, rehefa tena mahatsapa ny asan’Andriamanitra sy ny voninahiny eo amin’ny fiainantsika tokoa isika dia mahazo tsirony ary tsy te hiala eo Aminy. Koa, matoa tsy mahazo tsirony ary tsy mahatsapa ny voninahiny dia ny fibanjinana Azy no tsy ampy : maika lava angamba na koa tsy mifantoka na koa antony hafa ; tandremo izany.

Ry kristianina havana, isika mianakavy ankehitriny izay mibanjina an’Andriamanitra, mahita ny hasoany, ary mahatsapa ny hakantony no irahina ho vavolombelon’izany eo amin’ny andavanandrom-piainantsika amin’io raharaha fanao andavanandro io, amin’io fialam-boly io, amin’io fifandraisana aman’olona io... Mahereza ary mijoroa ho olona manam-pinoana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...