Zoma 07 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 16, 24-28 — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo ; Izaho mahalala azy, ary izy mahalala Ahy.

0 : 00

Ry kristianina havana, mialoha ny nitenenan’i Jesoa tamin’ny mpianany hoe : “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany ka hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy”, dia efa nisy resaka nifanaovany tamin’ny mpianatra. Tsara angamba ny hiverenantsika kely amin’izay mba ahazoantsika ny tiana hambara. Sady efa mampianatra antsika ihany koa izay hoe raha tiantsika ho azo tsara ny voalazan’ny tenin’Andriamanitra izay vakiantsika dia tsy maintsy vakiana ny eo aloha sy eo aoriana.

Dia inona àry ny resaka nifanaovan’i Jesoa sy ny mpianany teo alohan’io ? Nanontany ny mpianany Izy hoe : “Ataon’ny olona ho iza moa Aho ?” Dia efa iarahantsika mahalala fa tsy nisy nahita valinteny marina ny tao amin’ny fiaraha-monina : ny sasany, Joany Batista ; ny sasany, Elia ; ny sasany, Mpaminany. Dia jereo tokoa anie fa maro ankehitriny ireo maneho ny heviny sy milaza momba an’i Jesoa. Mila mitandrina isika fa tsy nisy valinteny marina tamin’ireny. I Piera no nilaza ny fahamarinam-pinoana, niteny hoe : “Ianao no zanak’Andriamanitra”. Tsy mahagaga raha ambara ombieny ombieny fa tsy mety diso ny fampianaran’i Piera sy ny dimbiny ; ary ny fahefana mampianatra tsy mety diso ananan’i Piera dia mitarika fahefam-pampianatra tsy mety diso ananan’ny Fiangonana. Koa tsy diso lalana tokoa isika raha mankatoa an’i Piera sy ny dimbiny ary ny fampianarany. Ny vavahadin’ny afobe rahateo tsy haharesy azy.

Izay ny tapany voalohany tamin’ny dinika nataon’i Jesoa sy ny mpianany. Fa, taorian’izay fiekem-pinoan’i Piera izay no avy hatrany i Jesoa dia niteny hoe : “Raha misy te hanaraka Ahy, aoka izy handà ny tenany, sy hitondra ny hazofijaliany ka hanaraka Ahy”. Mampianatra i Jesoa fa tsy ampy ny miteny hoe mino amin’ny vava fotsiny amin’ny fanarahan-dia Azy, fa tsy maintsy vonon-kisedra, hitondra ny hazofijaliana toa Azy koa.

Ry kristianina Havana, tsy lalam-piainan’i Jesoa irery ihany ny fitondrana ny hazofijaliana, fa ho an’izay misafidy hanaraka Azy ihany koa. Koa, raha sendra ny mafy sy ny mangidy ianao eo amin’ny fiainana, mahatsiaro tena fa mizaka fijaliana tokoa, dia ekeo izany ho famonjena ny fanahinao sy ho famonjena ny fanahin’ny hafa, satria : “Izay te hamonjy ny ainy no hahavery azy, ary izay hahafoy azy noho ny amiko, hoy i Kristy, no hahazo azy”.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...