Sabotsy 08 aogositra 2020 — Herinandro faha-18 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 14-19 — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjinako ny zava-mahagaga amin'ny lalànao.

0 : 00

Lehilahy anankiray manana zanaka izay efa ampijalian’ny aretina mafy no manoloana an’i Jesoa androany. Mafy ho an’ny ray aman-dreny tokoa mantsy izany mahita ny zanany marary ka tsy maintsy mitady ny fomba rehetra hanasitranana azy izy. Izany ka ray aman-dreny tompon’andraikitra sy mahatsiaro manana adidy.

Fa, izao : eto dia teneniny amin’i Jesoa hoe : “Efa nentiko tany amin’ny mpianatrao izy fa tsy nahasitrana azy izy ireo”. Misy fampianarana tiana hampitaina amintsika mianakavy eo, dia izao : na inona na inona mahazo antsika, dia tsy tokony ho fara-fidodododoana i Jesoa Kristy, fa Izy no tokony ho voalohany. Eo amin’ny fiainana, mety hitranga tokoa ny aretina satria marefo ny olombelona ; ary mety hitranga amintsika ihany koa ireo zavatra tsy voazavan’ny siansa. Dia indraindray efa tapi-dalan-kaleha, lany mondronkery tetsy sy teroa, efa tsy mahita mangirana tany amin’ny fivezivezena tany amin’olona lazaina fa mahay zavatra, izay vao mahalala mitodika amin’Andriamanitra sy mankany amin’ny Fiangonana. Tsy mety izany ; mety ho tratran’izany hatramin’ireo mitonona ho kristianina aza anie. Ny tiana hambara dia hoe ny fiainantsika kristianina mihitsy no mila ankinina amin’Andriamanitra isan’andro na salama isika na marary.

Aza atao vahaolana farany Andriamanitra. Izao mantsy, tsy resaka fahefana na fahaiza-manao na vola aman-karena no tokony hiatrehana an’izany fa finoana. Jereo anie ny tenin’ny mpianatra tamin’i Jesoa : “Nahoana no tsy naharoaka azy izahay ?” Tsotra ny valintenin’i Jesoa hoe : “Noho ny tsy fahampian’ny finoanareo”. Ary any amin’ny Evanjelin’i Masindahy Marka toko faha-9 aza dia ampiany hoe : “Tsy afaka raha tsy amin’ny fivavahana sy fifadian-kanina izany demony izany”. Noho izany, tsy maintsy milozoka mafy amin’io na ireo nomena fahefana amin’izany raharaha izany na isika kristianina rehetra. Tsy misy tsy azo atao manko ho an’izay mino. Tsy ilaina akory ny mamindra tendrombohitra fa finoana dia ampy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 marsa 2024

♦ Notanterahana ny 15 hatramin'ny 17 marsa 2024, ny famaranana ny faha-100 taonan'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Nitsidika ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy ireo Ekipan'ny Rôzery Nasiônaly, mba hanentana ireo mpikambana any an-toerana... ♦ Notanterahana tao amin'ny EKAR Masindahy François d'Assise Antanandava, ny fankalazana ny Alahadin'ny Fijalian'ny Tompo, ho an'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...