Alahady 09 aogositra 2020 — Alahady faha-19 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 14, 22-33 — Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain'i Jesoa Kristy Tompontsika, mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika.

{mp3}20200809-evanjely{mp3}

Raha visavisaina ny nambaran'ny Vaovao Mahafaly androany dia ilay endriky ny fiainantsika andavanandro mihitsy. Ny antony : toa ilay sambokely mamakivaky onjan-dranomasim-be ny fiainantsika, ka tsy ilaozan-tahotra, tsy ilaozan-tebiteby ary tsy ilaozana ahiahy. Ny ranomasina tokoa mantsy, tsy maintsy misy rivo-mahery manohana azy, mahatonga ny onja hitopatopa ka mety hampisamboaravoara ny sambo ka mila haharendrika azy. Rehefa izay no mitranga, dia teraka ny hakiviana amin'ny maha olombelona, satria mamy ny miaina, ary aleo maty rahampitso toa izay maty androany. Tadidio àry, fa tsy isika no tompon'ny fianantsika, fa Izy Andriamanitra Ray. Apetraho aminy mandrakariva ny asantsika, ny fiainantsika, ny hoavintsika, indrindra raha sanatria tojo olana na satria misy manjo ka mila ho rendrika ny sambom-piainantsika, satria ny mahery tsy maody, hono, tsy ela velona ary izay miady irery, mazàna resy. Mitodia amin'i Jesoa fa ny foto-kevitra androany dia efa manamafy izany : "Mampatoky ny manatona an'i Jesoa, Ilay Mpamonjy". Eo hatrany Andriamanitra, miara-miatrika amintsika ireny onjam-piainana ireny, izay mety mampisafotofoto ny fiainantsika ireny, toy ny aretina, ny tsy fananam-bola, ny tsy fisian'ny sakafo, ireo mety ho olana ao an-tokantrano, ny mety ho olana eo amin'ny zanaka na eo amin'ny fiaraha-monina... Asakasak'izay tsy te hanatona an'Andriamanitra, tsarovy fa efa hitan'Andriamanitra avokoa ny manjo antsika hatramin'ny bitika indrindra ka hatramin'ny lehibe indrindra ; ary manolo-tanana hatrany Izy, rehefa manatona Azy isika.

Koa fepetra telo no apetrak'i Jesoa androany, ho an'izay te hosintonin'i Jesoa ho eo anivon'ny antsam-pandresena. Voalohany, ny tokony hananantsika finoana. Ny finoana tokoa mantsy mandrava ny tahotra, koa ampitomboy isan'andro ny finoana. Izay manam-pinoana tsy maintsy mandresy, satria ny finoana no mahavonjy. Ny faharoa dia ny tokony hananantsika fahatokisana eo anatrehan'Andriamanitra. Mazava ho azy fa ny fahatokisana dia vokatry ny finoana. Tsy mbola nisy olana tsy nivaha izany na inona na inona nitranga tamin'ny fiainantsika, rehefa matoky an'Andriamanitra isika, satria tsy mba mivadi-pitokisana Andriamanitra. Ny fahatelo farany, antsoy Andriamanitra raha sanatria misy manjo. Antsoy ny anarany, fa manan-tsofina Andriamanitra ka mahare ary mana-maso Izy ka mahita. "Tompo ô ! Vonjeo aho", hoy i Piera. Fantatr'i Masindahy Piera mantsy fa afaka mamonjy azy tsara i Jesoa, ka tsy nisalasala izy niantso an'i Jesoa. I Jesoa tokoa no tena mpamonjy voina amin'ny toerana rehetra sy amin'ny fotoana rehetra. "Aoka tsy hatahotra na hangorohoro ny fonareo, fa ny fiadanako no omeko anareo", hoy i Kirsty. Ampitomboy ao aminay, ry Jesoa, ny finoana izay efa nomenao anay, mba ahafahanay amin'izay rehetra mety mitranga eo amin'ny fiainanay sy izay mety hampahatahotra anay isan'andro vaky. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...