Alatsinainy 10 aogositra 2020 — Masindahy Laurent — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 12, 24-26 — Izaho no fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo, izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan'ny fiainana.

0 : 00

Tena mifandraika amin'ny fiainan'i Masindahy Laurent, olomasina ankalazain'ny Fiangonana manokana androany, ny Vaovao Mahafaly naroson'ny Fiangonana. Araka ny fampianaran'i Kristy, isika vita batemy dia toy ny voam-bary afafy, izany hoe, fantenan'ny mpamboly ny voa, ary afafy amin'ny taninketsa ny voa maina tsara mba hitsimoka. Rehefa mitombo, afaka fotoana elaela dia afindra ka aketsa eny amin'ny tanimbary. Rehefa mandeha ny andro, mandeha ny fotona dia havaina ; ary rehefa tonga ny fotoana izay hamokarany, dia jinjaina ary omanina sy karakaraina tsara ka atao any an-tsompitra.

Ry kristianina havana, dia toa izany koa isika eo amin'ny fiainantsika miaraka amin'Andriamanitra. Tsy afaka ny hamokatra isika, raha tsy manaiky sy tsy maka tahaka ny voam-bary afafy ka manaiky alevina, izany hoe tsy maintsy alevina isika amin'ny fahotana tamin'ny fototra ka ny Fiangonana no taninketsa sy tanimbary nomanin'Andriamanitra, izay haniriantsika sy hitomboana. Ny sakramenta sy ny tenin'Andriamanitra no fitaovana entin'Izy Tompo hiavana sy hanatsarana ny fiainam-panahintsika ; ary isika mahomby amin'ny fandraisana andraikitra ao amin'ny Fiangonana no atao hoe mamokatra, satria mivelona ny finoana izay noraisina. Raha izay rehetra izay no raisina an-tanana dia ho tanteraka ilay tenin'i Kristy hoe :"Ho voninahitra ho an'ny Raiko, raha mamoa be ianareo sy tonga mpianatro". Ka noho izany, isika mpino krisitianina tsirairay izay vita batemy dia efa voatso-dranon'Andriamanitra tsara, mba hamokatra ao amin'ny Fiangonana. Koa aoka àry isika, samy hampiasa ny fanomezam-pahasoavana izay nomena antsika tsirairay avy. Ny voa nafafy tsy maintsy maty mba hamokarany avo zato heny. Ampio izahay, ry Jesoa Tompo, mba hanana fanentren-tena eo amin'ny fiainanay, mba ahafahana mamokatra araka ny teninao, sy araka ny sakramenta izay noraisinay ka handavorarianay ny fiainanay araka ny maha kristianina anay sy ahafahanay mikatsaka ny fiainana mandrakizay. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...