Alahady 06 septambra 2020 — Alahady faha-23 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 15-20 — Raha misy tia Ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay, ka honina ao aminy.

0 : 00

Ry kristianina havana ! Mazava be ny fanentanana ataon’ny Eglizy amintsika amin’ity herinandro tsotra faha-23 mandavantaona ity : “Ny kristianina tsy mifampijery arina an-tava”. Aoka io foto-kevitra io tokoa no hanentana sy hitondrantsika ny fiainantsika na iza na iza, satria mifototra ao no mety hahafahantsika mampifanaraka ny fiainantsika amin’izay tian’i Kristy ataontsika sy ny sitrapon’Andriamanitra ho tanterahintsika. Miompana amin’io rahateo ny Evanjely naroso tamintsika teo. Ny fitiavana no manentana antsika hanao zavatra toy izany : hifanitsy, hifanoro, hifananatra, hifanabe, hifampiteny araka ny hamafisin’i Masindahy Paoly ao amin’ny vakiteny faharoa anio. Tsy voatery ny lalàna foana no hifehy vao hiova na azo hahitsy isika. Manana adidy koa anefa izay rehetra mahatsapa tena ho kristianina tsy hitazam-potsiny ny namana mania na mivily lalana fa tsy maintsy manampy azy ireo hihazo ny lalana mahitsy. Hanadinana anao izany, hoy ny voalazan’i Ezekiela Mpaminany amin’ny vakiteny voalohany androany ihany. Iza indray tokoa àry no andrasantsika hifanitsy sy hifanoro ary hifampiteny na hanao antsika an’izany raha isika samy isika aza tsy manao an’izany ? Ny momba izany indrindra no avoitran’ny Evanjely norenesintsika teo :

Nirahina ny Eglizy hitantana antsika ho tody any amin’Izy Ray, hiaro antsika tsy hisy ho very satria tsy sitrany izany, hanampy antsika hiaina ny maha kristianina antsika, hanohintohina antsika amin’izay mety ho kilemantsika ary hanohatohana antsika amin’ny ezaka ataontsika ho mendrika ny maha zanany antsika. Tsy iza anefa io Eglizy io fa isika ihany ; isika miombona amin’i Kristy lohany sy ireo nirahiny sy nomeny fahefana hitantana azy. Isika no tsy maintsy mifanampy sy mifampitantana. Omen’i Kristy toromarika amin’ny tokony hataony ny Eglizy manoloana izay mety ho hadisoantsika, ametrahany fahatokisana hifehy sy hamaha izay hitany fa mahatsara sy mahasoa ny vahoakan’Adnriamanitra, tsy avelany ho irery fa mitoetra mandrakariva eo Izy raha misy mivory amin’ny anarany.

Any amintsika tsirairay avy àry ny fanalahidin’ny fahombiazan’ny Eglizy amin’ny iraka ampanaovin’i Kristy azy. Isika ve mba mora atonina ary mora resahana sy mora ahitsy raha misy tsy mety ka hanitsin’ny Eglizy antsika araka io tenin’i Jesoa amintsika androany io ? Indraindray manko raha mba misy manana finiavana hanampy na hiteny antsika na koa hanitsy antsika raha misy tsy mety any amin’ny fiaraha-monina misy antsika any ; APV, faritra, Fikambanana masina na Vaomiera isan-karazany any dia vao mainka olana no vokatr’izay satria mbola ilay toe-tsaina hoe aza idikidirana ny fiainako, izay tiako ihany io, samy izao sy toy izao fa aza mifampiteniteny. Mbola izay no mibahana ao an-tsaina sy ao am-po dia tsy tanteraka mihitsy io fiangavian’i Kristy amintsika io. Aoka isika mba hanana fo tsotra, souple, mora mandray teny sady mora hahitsy mba handraisantsika mandrakariva ny teny atao antsika. Aoka ho fo nofo no ao anatintsika ao ary mba ho malemy alai-molotra isika miaina ny maha kristianina antsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...