Talata 22 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 19-21 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.

0 : 00

Raha ho antsika olombelona, ny iray rà, ny iray fianakaviana ihany no tena mpihavana. Eto amin’ity Evanjely ity kosa, itarin’i Jesoa io fianakaviana io. Ireo mihaino ny Tenin’Andriamanitra sy mankato azy no ambarany fa Reniny, rahalahiny. Noho izany ny Tenin’Andriamanitra raisina ao am-po sy tonga fiainana no antoka mahatonga ho iray tampo, ho iray fianakaviana Aminy. Ny voalohany nihaino ny Tenin’Andriamanitra sy nandray azy tao amin’ny fiainany dia i Masina Maria Renin’iJesoa. Anisan’ireo nitady hihaona amin’i Jesoa eto ny Reniny sy ireo antsoina eto hoe rahalahiny ; te hahita Azy sy mba ho hitany. Rariny loatra izany satria havany i Jesoa, koa voajanahary ao aminy ny mitia ny havana, ary azo lazaina aza fa mananjara ireto fianakaviana ireto manana Azy. Olona betsaka koa anefa no nanodidina Azy ka tsy nahafahan’ireto havana akaiky nihaona Taminy. Koa tsy mahagaga àry raha milaza i Jesoa fa ny tena reniny sy rahalahiny dia izay mihaino sy mankato ny tenin’Andriamanitra ; i Jesoa no tena Tenin’Andriamanitra tonga Nofo.

Havany akaiky tokoa ireto olona marobe an’isan’ny mitady Azy ary liana mihaino Azy, heniky ny fasaoavan’Andriamanitra eo am-pihainoana ary makato izay lazainy, hany ka feno hafaliana mampandry sofina. Tsy natao hohenoina fontsiny anefa ny Tenin’Andriamanitra fa natao hiainana sy hivelomana mihitsy. Misy fomba filaza io Tenin’Andriamanitra io hoe “sakafom-panahy” ary i Jesoa ihany no milaza, rehefa nalain’ny Demony fanahy tany an’efitra, manao hoe “Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona fa ny Teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra”. Eo koa ny ilazany fa io tenin’Andriamanitra io rehefa hiainana tsara, ampiharina amin’ny fiainana dia hamokatra telopolo heny, hamokatra zato heny.

Tsy ho sarotra na hanahirana ny ho tonga ho iray amin’i Jesoa, ho reniny, ho rahalahiny araka ny Evanjely atolotry Fiangonana ho antsika eto rehefa mihaino sy makato ny Tenin’Andriamanitra isika. Mila fahasahiana sy fanapahan-kevitra àry ny manara-dia an’i Jesoa, fanapahan-kevitra handray an’i Jesoa ho havana akaiky. Ny vokatr’izany dia ho tonga iray fianakaviana Aminy ; havantsika akaiky Izy. Ao anatin’ny Fiangonana no hahatanterahan’ny maha iray tampo satria ao no hahatonga antsika ho zanak’Andriamanitra Ray, mpiray lova sy hasambarana amin’i Jesoa Kristy Zanany. Efa tanteraka izany tamin’ny alalan’ny Sakaramentan’ny Batemy izay nahatonga antsika ho Zanak’Andriamanitra sy ny Eglizy ary ho mpandova ny fiainana mandrakizay. Tsy ampy ny hoe efa havana akaikin’i Jesoa fa tsy maintsy aseho izany amin’ny fijoroana ho kristianina amin’ny fiainana andavan’andro satria ny tena havana, iray tampo dia ny fifamangiana, ny fifampizarana ny manta sy ny masaka, ny fifakatiavana. Amen.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...