Alarobia 07 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

0 : 00

Rentsika teo fa mivavaka irery sady mangina i Jesoa. Tsy isalasalana no ilazana amintsika fa tena ilaina io ary anentanana antsika rehetra. Efa zava-dehibe ary tena tsara ny ataontsika, miara-midododo any am-piangonana ny Alahady sy andavanandro fa tena tsy azo avela ny mivavaka manokana. Azo atao izany anaty bus any, any amin’ny birao any, eny am-panetsana, eny ambony sarety eny... fa atao mangina ao am-po ao. Izay iny, fa eto, nanaitra ny mpianatr’i Jesoa ny nahita io fihetsika nataony io. Ny atao tokoa mahasarika ! izany hoe, mahatsapa tena ho azy ny olona rehefa mahita ny ataonao sy ny ohatra tsara omenao. Tsy amin’ny vavaka ihany izay fa azo hiainana amin’ny sehatra hafa ihany koa. Ohatra : olona iray mitandrina ny hoe tsy manary fako eny an-dalam-be, mivavaka alohan’ny sakafo any amin’ny hôtely na gargotte eny. Voasarika ho azy ny olona mahita izany fihetsika izany.

Manaraka, hiditra amin’ny votoatin’ny vavaka nampianarin’ny Tompo àry isika, dia ilay vavaka fanaontsika isan’andro. Raha mivavaka ianareo hoy i Jesoa dia manaova hoe : “Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao”. Tsara hazavaina amintsika tsara io mba tsy hivaona ny fahazoana azy. Ny heviny dia hoe : tsy hoe isika olombelona indray no hanamasina ny anaran’ny Ray amin’ity vavaka ity. Izy Andriamanitra aza no loharanon’ny fahamasinana. Izy irery no sady mpanamasina no masina. Koa, ny hoe “hohamasinina anie ny anaranao” amin’ity vavaka ity dia tsy azo raisina amin’ny heviny iharana (KFK 2807). Raha tsorina dia hoe, ny fanaovana io vavaka io dia midika ho fiaikena fa masina ny anaran’ny Tompo ary milaza hetaheta te ho masina. Ny papa François ihany koa dia manazava ny hevitr’io hoe : “ hohamasinina ao amin’ny tsirairay na ao amin’ny fianakaviany na ao amin’ny vondrona misy azy ary eto amin’izao tontolo izao anie ny anaran’ny Tompo”. Tamin’ny “Audience générale” nataony tamin’ny 27 febroary 2019 no nilazany an’izany. Ny tiana hambara izany dia hoe masina ny anaran’ny Tompo, koa raha mifanipaka amin’izany ny endri-piainana asehontsika dia naman’ny miteniteny foana isika manao ity vavaka ity.

Ry kristianina Havana, mbola azo tohizana amin’ny fotoana sahaza azy moa ny fanazavana ity vavaka ity. Fa ho an’izao fifampizarana izao dia isaorantsika an’Andriamanitra izay vita.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...