Alarobia 01 janoary 2020 — Masina Maria Renin'Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 16-21 — “Fahiny, tamin’ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa, dia tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenany tamintsika”.

0 : 00

Ry kristianina Havana! Miarahaba antsika nahatratra izao taona vaovao izao. I Masina Maria Renin’Andriamanitra no ankalazain’ny Eglizy androany fa isika rahateo ihany koa dia mbola ao anatin’ny havaloana fankalazana ny Noely ka maneho amintsika an’izany mihitsy ny Evanjely naroso ho antsika teo. Ity Evanjely ity dia Evanjely efa nentin’ny Fiangonana nankalazantsika ny Noely tamin’ny Sorona maraina ny 25 desambra.

Ireo mpiandry ondry ireo no tonga voalohany nijery sy namangy ity Zanak’Andriamanitra tonga olombelona ity. Olona tsotra ireo ary nanana fahalalahana tanteraka. Raha vantany vao niteny taminy ny Anjely dia lasa tokoa izy ireo: inona no manakana antsika tsy handre ny antson’Andriamanitra amintsika ka hamaliantsika izany sy hanatanterahantsika izay hanirahany antsika?

Rehefa niditra izy ireo dia nahita an’i Maria sy Josefa ary ny zaza vao teraka. Fianakaviana io, fianakaviana izay tanora tokoa na ny ray na ny reny niteraka an’i Jesoa. Eo anivon’izy ireo Andriamanitra. Tiany ny haneho ny Tenany amin’ity reny tanora ity izay tia fatratra ny zanany. Fitiavan-dreny, izany no fitiavana asehon’Andriamanitra ho antsika, fitiavana anehoany ny maha Izy azy.

Ny zaza vao teraka izay manomboka fiainam-baovao. Manome hafaliana satria mazana fifaliana foana no mahita zaza iray vao teraka kanefa ho an’ity zaza ity dia mifono mistery tokoa satria ao ambadika ao Andriamanitra Rainy izay niteraka azy. Ny nahaterahany eo amin’ny fihinanam-bilona moa dia sady mariky ny fahantrany no fanehoany ny fanetren-tena lehibe nananany. Entina ilazana izany fa ny fanjakany dia fanjakan’ny fitiavana satria tsy misy fitiavana lavorary raha tsy misy fanetren-tena sy fandeferana. Aoka isika hanahaka izany toetry ny Ray asehony amin’ny alalan’ity Zanany tonga nofo ho antsika ity.

Taitra tamin’izay nolazain’ireo mpiandry ondry sy notantarainy mahakasika ny zavatra hitany sy reny ny mponina manodidina. Inona moa no notantarain’ireto mpiandry ondry ireto: ny fahitany ny zaza teraka sy ireo ray aman-dreniny fa indrindra ihany koa ny filazan’ny Anjely tamin’izy ireo ary ny fahenony ny voninahitr’Andriamanitra niraondraona niredoana nanao hoe “voninahitra ho an’Andriamanitra any amin’ny avo indrindra, ary fiadanana ho an’ny olona ety ambonin’ny tany fa nanehoany ny hatsaram-pony”.

Tian’Andriamanitra ny hiainantsika tanteraka ao anaty fiadanana ary ity zaza teraka ity no hitondra izany ho antsika. Moa mba manaiky ho tarihin’izany fahazavana antoky ny fiadanana ho antsika izany ve isika? Hatraiza anefa moa ity voninahitr’Andriamanitra redonin’ny Anjely ity? Voninahitra eo amin’ny hazofijaliana banjinintsika amin’ny paka satria io hazofijaliana io no famonjena ho antsika. Ny tena hafaliana lehibe, ny tena voninahitr’Andriamanitra dia ilay mistery lehibe hankalazaintsika any amin’ny paka. Fototr’izany rehetra izany i Maria ankalazaina anio ary izany rehetra izany anisan’ny nodinihiny mangina tao am-pony. Aoka isika tsy hisaraka amin’i Maria fa anisan’ny mitondra antsika amin’ny famonjena izy ary aoka isika hibanjina miaraka aminy mandrakariva io voninahitr’Andriamanitra io.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...