Sabotsy 18 janoary 2020 — Herinandro voalohany mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 13-17 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio fa henoy ny feon'ny Tompo.

0 : 00

Ny fiantsoan'i Jesoa ny mpianatra fahadimy hanara-dia azy no ambaran'ny Evanjely eto: i Lévi zanak'i Alfe. I Lévi moa no niantsoana an'i Matio eto. Lehilahy pôblikanina, sokajian'ny olona ho mpanota satria mpamory hetra ho an'ny Rômanina mpanjanan-tany tamin'izany fotoana izany. Tsy nahasakana an'i Jesoa tsy hiantso azy anefa izany toetra ratsy ilazan'ny olona ity lehilahy ity izany, izy rahateo tsy nisalasala fa navelany ny asa aman-draharahany ka lasa izy nanaraka an'i Jesoa. Tsy manavakavaka na manilikilika ny hafa i Jesoa, tiany avokoa ny olona rehetra.

Fifampizarana ny manta sy ny masaka, fifampizarana hafaliana, fifampizarana fiainana ny fiaraha-misakafo. Niara-nisakafo tamin'i Lévi sy ireo mpanota maro hafa i Jesoa; izay iray vatsy iray aina. Tonga iray petsapetsa amin'ny mpanota Izy. Tsy nasiany elanelana ny amin'ireo sy Izy. Lasa saina noho izany ireo Mpanora-dàlana sy ny Farisiana ka vaky vava nanao hoe: "Nahoana ny Mpampianatrareo no miara-mihinana amin'ny pôblikanina sy ny mpanota?" Valin-tenin'i Jesoa ny hoe: "Tsy ny finaritra no mila dokotera, fa ny maray, tsy tonga hiantso ny marina Aho fa ny mpanota". Mazava sy tsy misy azo hokianina io teniny io, ary miteraka fanantenana sy fiadanam-po ho an'izay mihaino azy. Na eo aza ny fahotana sy ny fahalemena mahazo antsika dia tsy natao hampitanondrika izany.

Isika àry, afaka mamermberina io tenin'i Jesoa io hankahery ireo manodidina antsika eo anatrehan'ny mety ho hakiviana noho ny fahalemana mpahazo antsika sy ireo namantsika.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...