Nikendren'ny ray aman-drenin'i Dera nisehoana teo amin'ny tanànan'izy ireo no antony nanemorana lava ny fotoana hanaovana ny batisan-dRivo, ary tena niomana fatratra tokoa izy ireo tamin'izany.

Ny dingam-piainana nolalovan'i Rivo taorian'ny hasoavana dia ny batisa, na dia nirin'i Dera sy Vola ho notanterahana fotoana fohy taorian'ny nahaterahany aza izany. Ny antony : tian'ny ray aman-drenin'i Dera ho tany Ambatomainty no natao izany, ary dia tanteraka tokoa.

Nataon'i Vola izay fomba rehetra tsy handratra ny ray aman-drenin'i Dera teo amin'ny fomba amam-panao tsy niraisana safidy, ny amin'ny fomba hanatanterahana ny hasoavan-jaza.

Nampandrenesin'i Dera sy Vola ny ray aman-drenin'i Dera ny amin'ny hanatanterahana ny hasoavan'i Rivo. Avy hatrany dia nihetsika izy ireo ny amin'ny fombafomba rehetra homanina araka ny fanao, izay somary nahasadaikatra loatra an'i Vola sy tsy dia namparisika azy firy. Noraisin'i Dera sy Vola an-tànana ny raharaha : dokotera mpandidy no hanao ny didipoitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...