Nampandrenesin'i Dera sy Vola ny ray aman-drenin'i Dera ny amin'ny hanatanterahana ny hasoavan'i Rivo. Avy hatrany dia nihetsika izy ireo ny amin'ny fombafomba rehetra homanina araka ny fanao, izay somary nahasadaikatra loatra an'i Vola sy tsy dia namparisika azy firy. Noraisin'i Dera sy Vola an-tànana ny raharaha : dokotera mpandidy no hanao ny didipoitra.

Feno herin-taona mahery i Rivo zanak'i Dera sy i Vola. Tapaka ny hevitra fa hoatao hasoavana iny ririnina iny i Rivo. Tsy dia naharototra an'i Dera loatra izany, ny antony dia noho izy tsy dia marisika firy amin'ny fitsaboana aretina sy ny manodidina azy ; tsy tahaka an'i Vola sy ireo ray aman-dreniny izay efa niresadresaka mihitsy hatramin'ny fomba hanatontosana izany.

Diso fotoana ora roa tamin'ny nifanomezana ny fahatongavan'ireo hohamasinina fanambadiana tany am-piangonana. Nahatsikaiky an'i Dera sy i Vola ny nahafantaran'izy ireo fa ny zanak'izy roa mpanambady ihany no nitarika ny voaly nisaloran-dravehivavy. Ny fahatsoran'ny fitafian'ny mpampakatra sy ny ampakarina dia vokatry ny tsy fahalalana sy ny tsy fandrosoana fa tsy hoe fahihirana na fahantrana.

Nanatrika lanonam-panambadiana tany ambanivohitra iray i Dera sy i Vola. Fahatsoram-po, fahatsoram-piseho : anisan'ny manamarika ny toetran'ny olona any ambanivohitra no nanafy ireo olona niserasera tamin'i Dera sy Vola iny andro iny, saingy manana izay antony maha samy hafa azy amin'ny fomban'ny olona any Ambatomainty tanànan-dry Dera.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...