Mpifankatia i Faly sy Rebeca. Ary ho an'i Rebeca dia satriny hiroso amin'ny fanambadiana avy hatrany na dia vao telo volana monja aza no nifankatiavan'izy ireo. Nasain'i Toky hiara-hisakafo aminy tany amin'ny restaurant toy ny fanaony i Tsiky, manana tanjona haka vady azy i Toky, na dia tsy miraika firy ny amin'izany aza i Tsiky. I Toky izay tsy manana anton'asa mazava fa dia mivelona amin'ny asa an-tselika eny rehetra eny, ary indraindray aza toa asa maizina tsy mazavazava mihitsy.
Tonga eo amin'ny kihon-dàlana itrangan'ny fandrika iray mahasolafaka ny fiainan'ny mpanoratra, fandrika mahasolafaka heveriny fa ozona mandrafitra ny fiainany, eto dia ny tsy fifanandrifian'izay nokasainy sy izay mitranga eo amin'ny fiainam-panambadiany no isehoan'ny fandrika.
Efapolo taona ny sazin'i Solenge eny am-ponja. Nampihombo be ny aretim-po nahazo an'i Njaka ny fahafantarana fa efa maty i Hanitra zanany. Nandao azy any amin'ny varotsimifody avokoa ireo olo-malalany rehetra : ny ray sy reniny, ny vady aman-janany. Mangidy ho azy ny fiainana. Tafaverina any aminy ireo ambina volamena mbola hita tany amin-dRasedy. Nozarain'i Njaka tamin'i Jaona sy i Nary ny antsasak'ireo volamena, ary natsangany ho zanany handova azy izy ireo ka nanaiky avy hatrany i Jaona fa i Nary kosa mbola hiera amin'ireo ray aman-dreniny.
Azon'i Rasedy ireo volamena, nanomezany ampahany an'i Solenge, ary rehefa izany dia nilazany i Solenge fa misaraka hatreo ny dian'izy ireo. Teny an-dàlana handositra hitsoaka lavitra ny renivohitra izy no niharan'ny lozam-piarakodia, ary dia maty tsy tra-drano.
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco