Nanafatra an'i Njaka ho tonga ao an-tanàna i Jaona fa tsy natory mihitsy tamin'ny alina tontolo fa misy manakorontana avokoa ny entana, ary dia tany an-tokontany izy no nitoloko noho ny tahotra. Tonga saina i Njaka fa nitovy tsy nisy valaka tamin'ny zava-nitranga ho antony tsy nahatamana ireo mpiandry tanàna teo aloha ny zava-misy. Naborak'i Njaka tamin'i Jaona ny tantaram-piainany, ary dia niangaviany i Jaona mba hijanona hiandry tanàna ihany. Nanaiky izy saingy nametraka fepetra.

Anisan'ny naharomotra an-dRasedy ny tsy nanomezan'ny vadiny azy tamin'ireo volamenany fony fahavelony, na dia hoe vady faharoa aza izy, fa naleon'ilay ramatoa nomeny ny vinantovaviny, dia i Lucienne vadin'i Njaka. Rehefa tsy nahomby ny saika hametrahany mpiasa an-trano tao an-tanàna dia izy mihitsy no tonga tao mody mibaiko sy manara-maso an'i Jaona mpiandry tanàna, kanefa hikaroka ny mety ho nanitrihan'ny tompony azy ireo volamena.

Resy lahatra i Leva fa ny fahafantarana ny fahavalo manenjika sy mifofo ny ain'izy ireo no tokony atao. Ary dia vonona ny hanjohy ilay lava-bato nanafenan'ireo olon-dratsy azy i Leva. Nanaiky ihany i Anja na dia mandry an-driran'antsy lava sy mitaintaina toy ny sahobakaka am-bodiriana lava izao aza.

Very hevitra Rasedy raikelin'i Njaka fa tsy nahomby ny tetika nomaniny hikarohany ireo volamenan'itompokovavy Lucienne vadin'i Njaka, satria fantany fa tsy maintsy i Hanitra no nampirina ireo volamena. Efa nahita mpiandry tanàna i Njaka ka tsy afaka handray an'i Neny Rasoa iraka hikaroka ireo volamena amin'ny alalan'ny fanaovana sarintsarina mpiasa an-trano izy. Tapa-kevitra Rasedy fa izy mihitsy no hirotsaka hanatanteraka ny asa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...