Dia tapa-kevitra hiaraka amin'i Anja i Leva. Roso ny dia, handao ity akany nahabe nahitana ny fifamahofahon'ny fiainana maro isan-karazany. Tono mangahazo kely no mba vatsy an-dàlana. Nandry tany anaty ala. Niatrika tahotra sy horohoro hatrany tamin'izay tany nodiavina. Ary dia tena nifanehatra tamin'ny olon-dratsy tokoa. Saingy dia nanjohy hatrany azy roa teny ihany koa ilay olon-tsy fantatra nanavotra azy ireo.

Nataon'i Njaka mpiandry ny tanànany ilay jiolahy nanendaka azy. Izy rahateo tena ao anatin'ny fitadiavana olona hiandry ny tanànany, izay tsy foiny hamidy na dia efa tsy mipetraka any intsony aza izy noho io tanàna io mirakitra ny fiainan'i Hanitra zanany sy ny fiainan'izy mivady fony fahavelon-dratompokovavy. Rasedy raikelin'i Njaka etsy an-daniny mitetika ny hametraka olona hiandry ny tanàna, amin'izay mora aminy ny manatanteraka ny tanjona iriny.

Nangataka andro tapa-bolana tamin'ireo mpitaky trosa ikaky Rakonka ary nilaza izy fa tsy maintsy voaloany ny vola na dia hivarotany ny tanindrazany aza. Vokatr'izany, noroahany tsy hipetraka ao aminy intsony i Anja fa mitondra vintan-dratsy ho azy hono. Na dia niangavy mafy aza i Leva ny mba tsy handroahana an'i Anja dia tsy nanaiky mihitsy ikaky, fa nomeny safidy i Leva na : hanaraka an'i Anja any amin'izay tany halehany, na : hijanona ao aminy.

Lasan'ny mpangaro-paosy ny poketran'i Njaka, tsy namelany fa nohenjehiny ka tratrany tokoa rehefa tapi-dala-kilefana. Nentiny tamin'ny fiara rehefa avy norahonany fa na : hanaraka azy moramora any amin'ny polisy, na : hiantsoany fokonolona hanaovan'ny olona fitsaram-bahoaka. Nifompona sy nibaboka teo ilay jiolahy ary niangavy mafy tamin'i Njaka mba tsy hanagadrany azy fa hanompo azy mandrapahafatiny.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...