Velona i Anja, afaka. Tsy resin-tangena. Niarahaba azy nomen-janahary ny hitsiny ny mpomba azy. Saingy ny fiantraikan'izay sedra mivaivay izay no mbola tsy nifarana hatreo, na ara-batana indrindra indrindra, na ara-tsaina, na ara-panahy.

Mba tsy hihoarana ny fefy, dia nandray fanapahan-kevitra i Tefy sy i Mialy fa ny misara-toerana tsy mifankahita intsony no hahazoan''izy ireo mifehy ny fitiavany avy, na dia mafy indrindra tamin'izy ireo aza izany. Nanampy trotraka ny adin-tsain'izy ireo ihany koa ny nanambaran'i Tefy tamin'i Mialy fa i Haja rainy ihany no nampamono an'i Rivo.

Vita ny vonosotry. Dingana tsy maintsy arahana ao anatin'ny fampinomana. Hiroso ho ao amin'ny trano ampinomana ireo voapanga. Nampahery an'i Anja ikaky Rakonka, namporisihiny izy tsy ho kivy fa haneho amin'ny mpiara-belona rehetra fa olo-marina.

Sahiran-tsaina mafy dia mafy i Tefy sy i Mialy miezaka mifehy ny fihetseham-pony avy, satria tsy afaka ny hivady, noho ny maha mpianadahy azy ireo. Fantatra tamin'ny fanadihadiana nataon'i Tefy sy ireo namany fa nopoizinina tamin'ny sakafo nohaniny no nahafaty an'i Rivo, ary tsy taiza tsy akory fa tao an-tranony ihany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...