Sahiran-tsaina mafy dia mafy i Tefy sy i Mialy miezaka mifehy ny fihetseham-pony avy, satria tsy afaka ny hivady, noho ny maha mpianadahy azy ireo. Fantatra tamin'ny fanadihadiana nataon'i Tefy sy ireo namany fa nopoizinina tamin'ny sakafo nohaniny no nahafaty an'i Rivo, ary tsy taiza tsy akory fa tao an-tranony ihany.

Tsy hita popoka izay nanjavonan'i Leva. Niala maina ireo mpitady azy na dia efa niaritra mandramarain'ny andro aza. Very hevitra i Anja : ny maso efa menan'ny ranomaso , ny tena reraky ny tsy fatoriana nandritra ny alina, ny saina miady mafy amin'ny fitaintainana amin'ny fanjavonan'i Leva.

Nahazo toky tamin'i Haja i Razay fa tsy afaka ny hivadika aminy amin'izay nifanekena intsony i Haja, satria dia nambaran'i Haja taminy an-kitsirano tsotra izao fa i Haja no namono an'i Rivo. Tsy nihambahamba izy sady sahy dia sahy ny hanery an'i Ranja tao an-tokantranony, hanatanteraka ny fanirian'izy sy i Haja.

An-dalana manavatsava ny alina maizin-kitroka i Leva sy Anja no nisy olona maromaro nanakan-dàlana nandrahona azy ireo fa tsy maintsy matin'izy ireo amin'izay izy roa. Ny dia naleha efa mampitebiteby be ihany amin'ny tsy maintsy hiomanana hiatrika ny fampinomam-be, mbola nampian'ny fanafihan'ireo jiolahy tsy mataho-tody. Soa fa teo ilay olon-tsy fantatra nanampy azy ireo tamin'ny fiatrehana izany rehetra izany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...