Sahiran-tsaina fatratra ny amin'ny fitiavana miha lalim-paka ao am-po saingy tsy ho azo iainana izay mamatotra azy ireo i Tefy sy i Mialy. Ny fisarahan-toerana mba tsy hifankahitana intsony no vahaolana hitan'izy ireo. Noborahan'i Tefy tamim-pahamenarana tanteraka tamin'i Mialy fa ny rainy no nampamono ny rain'i Mialy. Hitan'i Tefy ny nandrarahan'i Tiana zavatra tao anaty sakafon'i Mialy. Ary dia nosoloiny izany ka nomeny ny alika.
Anisan'ny nandatsahan'ny olona vato hampinomina i Anja, ary tsy iza tsy akory no nandatsa-bato ho azy fa ireo ray aman-dreny nahitany masoandro ihany. Nalahelo azy mafy noho izany ikaky Rakonka sy i Leva, ka nampahery azy fa raha olo-marina tsy nanao ratsy tamin'ny tany ama-monina izy, dia tsy ho resin-tangena velively. Nanampy azy fatratra izy mianaka amin'ny fiomankomanana rehetra mialohan'ny hiatrehana ny fampinomam-be.
Voaporofo tamin'ny fanadihadiana nataon'i Tefy sy ireo mpiara-miasa aminy fa fanapoizinana tamin'ny sakafo nohaniny tao an-tokan-tranony ihany no nahafaty an'i Rivo. Saingy mbola miandry fotoana aloha ny famoirana ny tena marina. Azon'i Ranja tsindrimandry fa i Tiana no nataon'i Haja fitaovana hamonoana an'i Rivo. I Tefy zanany ihany no nisambotra an'i Haja tao an-tokantranony noho ny heloka nataony ka hanenjehana azy.
Nanjary be tebiteby sy be ahiahy i Anja nanomboka tamin'ny andro saika namonoan'ny jiolahy azy. Nandry an-driran'antsy lava izao. Saingy soa fa teo ikaky Rakonka sy i Leva vonona ny hanohana azy mandrakariva, ary nampahery azy fa Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andrasan'izy ireo eny ihany.
♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco