Anisan'ny nandatsahan'ny olona vato hampinomina i Anja, ary tsy iza tsy akory no nandatsa-bato ho azy fa ireo ray aman-dreny nahitany masoandro ihany. Nalahelo azy mafy noho izany ikaky Rakonka sy i Leva, ka nampahery azy fa raha olo-marina tsy nanao ratsy tamin'ny tany ama-monina izy, dia tsy ho resin-tangena velively. Nanampy azy fatratra izy mianaka amin'ny fiomankomanana rehetra mialohan'ny hiatrehana ny fampinomam-be.

Voaporofo tamin'ny fanadihadiana nataon'i Tefy sy ireo mpiara-miasa aminy fa fanapoizinana tamin'ny sakafo nohaniny tao an-tokan-tranony ihany no nahafaty an'i Rivo. Saingy mbola miandry fotoana aloha ny famoirana ny tena marina. Azon'i Ranja tsindrimandry fa i Tiana no nataon'i Haja fitaovana hamonoana an'i Rivo. I Tefy zanany ihany no nisambotra an'i Haja tao an-tokantranony noho ny heloka nataony ka hanenjehana azy.

Nanjary be tebiteby sy be ahiahy i Anja nanomboka tamin'ny andro saika namonoan'ny jiolahy azy. Nandry an-driran'antsy lava izao. Saingy soa fa teo ikaky Rakonka sy i Leva vonona ny hanohana azy mandrakariva, ary nampahery azy fa Andriamanitra tsy andrin'ny hafa, andrasan'izy ireo eny ihany.

Tonga nitady an'i Anja indray i Setra ny ampitson'iny. Nambaran'i Anja fa lehilahy tsy azo ianteherana i Setra, ary saika nidiran-doza izy raha nipingapinga niaraka taminy. Lasa nirintona i Setra rehefa avy nikafarafara tamin'i Anja fa hoe boribory ny tany ka mbola hifankahita. Efatra ambinifolo no isan'ny olona voaendrikendrika ho mpamosavy, efatra lehilahy, folo vehivavy, ary isan'ireny i Anja.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...