Nantsoina hoe "Edena" ny anaran'ilay tanàna satria nifankatia sy nahay nifanampy ny olona tao, nilamina ny tanàna, feno arena ankibon'ny tany : volamena sy vatosoa ; anefa nisy ihany ny olona nanana toetra ratsy toy ny fialonana sy fitsiriritana. Mpinamana i Manjompiaka sy i Eva. I Manjompiaka dia olona mazava fo sy saina ary manana fahitana ; i Eva dia manana fanomezam-pahasoavana toy ny fitsaboana ara-boajanahary, anefa mbola naniry ny hifehy ny tanàna manontolo tamin'ny alalan'ny tehina miendrika menarana izay sampiny.

Nifamaly matetika i Nivo sy ny reniny, noho ny tsy fahafantarany ny ray niteraka azy. Niziriziry ny tsy hilaza ny momba ny rain'i Nivo ny reny niteraka azy. Nifankahita tamin'i Soa, teny an-dalana i Nivo, ka iry voalohany no nilaza fa zokin'i Nivo, nanazava i Soa fa iray ny rain'izy roa vavy dia ingahy Ravelosoa. Nampahafantarin'i Soa an'i Nivo fa manana zoky miisa 4 izy, nilaza moa i Soa fa misy ny boky nosoratan'i Ravelosoa, rain'izy ireo, mikasika ny tantaran'izy ireo, nisy sary ihany koa porofo.

Henintsoa sy i Fetra dia mpianadahy namita fianarana tany amin'ny toerana lavitry ny ray aman-dreniny. Arthur no anaran'ny olontian'i Henintsoa, io lehilahy io dia tera-tany vahiny. Nisisika ny hipetraka amin'ny villa iray i Henintsoa. Miadisaina ny amin'ny nanjavonan'i Zo fofombadiny i Fetra, i Santatra rahavavin'i Zo no nampahafantatra iry fofombadin'ny zokony ny mety ho antony tsy nahitana azy.

Tanora miisa telo dia Lanja, Dera ary Meva no nanan-kevitra ny hanao fanadihadiana sy fikarohana mikasika ny lava-bato iray ao Fandravazana. Maro ny fahitana tsy nampoizin'ireo tanora ary feno fitaintainana izy ireo. I Meva no tena saro-tahotra anefa azo heverina fa manana hakingan-tsaina ihany. Mifankahery hatrany izy ireo mba havitana manohy  ny fikarohana mikasika ny zava-miafina ao anatin'ny lava-bato.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...