Tokandrano sahirana ara-pivelomana no iainan'i Naivo sy Bakovololona mivady. Kisendrasendra no nifanenan'i Bakovololona sy i Vero izay mpinamana efa ela. Nahita asa ho an'i Bakovololona i Vero, izay asa mampiahiahy an'i Naivo. Vao voaray tao amin'ny orinasa Enjana i Bakovololona dia efa nahazo karama iray volana ary ilay talen'ny orinasa no milaza handoa ny hofantrano sy jiro ary rano lanin'ireto mpivady ireto. Nahitàna porofo ny fiarahan'i Bakovololona sy ny talen'ny orinasa.

Tantarana tovolahy iray mpiasa mpanampy. Mpanampin'olona i Sedra, mafy ny asa ataony, sesilany ny iraka. Tsy misy sitraka ny asa vitany, masika sy sarotiny ireo mpampiasa azy. Mpinamana sy mpiara-mianatra i Fitia sy i Voary zanaky ny mpampiasa an'i Sedra. Fitia dia tovovavy tsara tarehy sy tso-piaina, tia fianarana. Tojo tsy fahasalamana i Sedra, harerahana disy tafahoatra, ka i Fitia no nihantra ary nitsabo ka nampitra hopitaly azy. Lasa mpifankatia i Sedra sy Fitia.

Misafotofoto amin'i Nomena ny fiainany. I Bodo, reniny niteraka azy dia namela azy hotezain'olon-kafa noho ny fomba tsy mahazo mitaiza zaza kambana. I Zara, reniny nitaiza sy nitia ary nanolokolo azy, nilaozany satria noheveriny ho nivarotra azy tamin'i Bodo izay te haka azy indray. I Claude izay noheveriny fa tena rainy dia nambara taminy fa tsy rainy koa. 

Mpirahavavy i Rojo sy i Lisy, ka itsy farany no zandriny. I Lisy dia tovovavy nazoto nandranto fianarana ka tsy nitandro hasasarana ny reniny nitady lalana hampianarana azy. I Lisy dia tovovavy sariaka, tia mifandray aman'olona, tsara tarehy. Nisy olana teo amin'izy roa vavy satria nampirafy an'i Rojo zokiny tamin'i Lisy ny vadiny antsoina hoe Tovo. Nandefitra tamin'ny fahadisoana nataon'i Tovo sy i Lisy i Rojo zokiny. Nahazo vady ihany i Lisy dia i Tojo, anefa mbola miaraka miafina ihany i Tovo sy i Lisy. Misafotofo ny tantara ary mihezaka mamaha ny olana misy i Rojo sy ny reniny. Nihafara tamin'ny fahafatesan'i Rojo ny aretim-po nahazo azy, ary namaly faty ny fanahiny...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...