Na dia namakivaky tsy fahombiazana matetitetika aza i Dera ka nahatonga azy hieritreritra ny fotoana hahamendrika azy ho vadin'i Vola, dia nahatsapa izy fa tsy manaiky ny zava-misy tsy mahomby ; fa finiavana hanova ireny no setrin'izany.

Na dia noserantseranin'ny nenina aza i Dera teny am-boalohany rehefa nanatrika ny konseritr'i Handel, tato afara kosa tsapany ho nisy zava-dehibe banga tamin'ny fiainany raha tsy nanatrika izany fampisehoana izany izy.

Konseritr'i Handel no natrehan'i Dera sy i Vola. Hafahafa tamin'i Dera izany satria tsy nisy dobok'amponga fanairam-bahoaka, ho fampiomanana na sasisasiny akory ; na kabary kely fanokafan-danonana toy ny fahita amin'ny hira gasy.

Tamin'i Dera dia tsy fahafaham-po no vokatra nentin'iny fijerena hira gasy iny tamin'i Vola. Tsapany izany taty aoriana. Anjaran'i Vola indray kosa no nanasa an'i Dera hanatrika konseritra : nekeny an-jambany satria tsy nananany  fahalalana ny atao hoe konseritra.

[Miara-dàlana] Zoma 19 aprily 2024

♦ Feno 19 taona katroka androany ny Radio Faniry Antsiranana... ♦ Fiantsoan'Andriamanitra, fahasoavana sy asa fanirahana: io no lohatenin'ny hafatra ho an'ny Andro Maneran-tany Hivavahana ho an'ny Fiantsoan'Andriamanitra, amin'ity taona 2024 ity, avy amin'ny Papa François... ♦ Fahaiza mamehy tena sy fahaizana mamela ny tena tsy ho resin'ny filan-dratsy ny fahalalana onona, hoy ny Papa François, tamin'ny Audience Générale...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...