Vakiteny voalohany

Bokin’i Malakia Mpaminany (Mal. 3, 1-4)

Ho tonga eo an-Tempolin'ny Tompo tadiavinareo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra:

“Indro Aho, haniraka ny irako;
ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako;
dia ho tonga tampoka ao an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo,
ilay Anjelin’ny fanekena irinareo.
Indro avy Izy, hoy ny Tompon’ny tafika.
Iza no hahatanty ny andro hiaviany,
ary zovy no hahajoro, raha miseho Izy?
Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika Izy
sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra.
Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy Izy,
hanadio ny taranak’i Levi Izy,
ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy,
ka dia ho mpanompo Izy ho an’ny Tompo,
hanolotra fanatitra ara-drariny aminy;
ary hankasitrahin’ny Tompo toy ny tamin’ny andro taloha,
toy ny tamin’ny taona fahiny,
ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 116, 1. 2

Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.

Asandrato ny loha, ry vavahady,
ry varavaram-pahagola, misandrata
hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!

Mpanjakan’ny voninahitra iza moa?
Fa ny Tompo Tsitoha sy Mahery,
ny Tompo ilay Mahery an’ady!

Asandrato ny loha, ry vavahady,
ry varavaram-pahagola, misandrata
hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!

Mpanjakan’ny voninahitra iza moa?
Fa ny Tompon’ny Tafika:
Izy no Mpanjakan’ny voninahitra!

Vakiteny faharoa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 2, 14-18)

Tsy maintsy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy.

Ry kristianina havana,
satria mana-nofo aman-dra ny zaza
dia mba naka izany koa i Jesoa,
handringanany amin’ny fahafatesany
ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana,
dia ny devoly,
sy hanafahany an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana
nandritra ny andro rehetra niainany,
noho ny tahotra ny fahafatesana.
Na aiza na aiza tsy mba Anjely no vonjeny,
fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny.
Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy
mitovy amin’ny olombelona havana amin’ny zavatra rehetra,
mba ho tonga be famindram-po Izy
sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra,
hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona;
fa noho ny Tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra
no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-40)

Ny masoko nahita ny famonjena.

Tamin’izany andro izany,
rehefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa
mba hatolotra amin’ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe:

«Ny lahy voalohanteraka rehetra
dia atao hoe masina ho an’ny Tompo»,

ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalan’ny Tompo.
Ary indro nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema;
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely,
ary tao aminy ny Fanahy Masina,
sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandrapahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly
ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy,
ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

“Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana
araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”.

Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza
noho ny zavatra nolazaina ny aminy.
Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna,
ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe:

“Indro ity Zaza ity no voatendry
ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely
ary ho famantarana hotoherina,
— ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra
— mba hiseho ny hevitry ny fo maro”.

Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray,
dia i Anina zanak’i Fanoela, fokon’i Asera;
efa antitra dia antitra izy,
dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy,
ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona,
sady tsy niala tao amin’ny Tempoly,
fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina
tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana.
Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany,
ka nidera an’Andriamanitra,
ary nilazalaza ny Zaza
tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema.
Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra
araka ny Lalàn’ny Tompo,
dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy.
Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena,
ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahazavana hanilo ny Jentily Izy,
sady voninahitr’i Israely olonao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 2, 22-32)

Ny masoko nahita ny famonjena.

Tamin’izany andro izany,
rehefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy,
dia nentin’ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa
mba hatolotra amin’ny Tompo,
araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe:

“Ny lahy voalohanteraka rehetra
dia atao hoe masina ho an’ny Tompo”,

ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa,
araka ny voasoratra ao amin’ny Lalan’ny Tompo.
Ary indro nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema;
ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany
ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely,
ary tao aminy ny Fanahy Masina,
sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy
fa tsy hahita fahafatesana mandrapahitany an’i Kristin’ny Tompo.
Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly
ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny
hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy,
dia nitrotro Azy izy,
ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe:

“Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana
araka ny teninao ny mpanomponao,
fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao,
izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra,
dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...