Ry havana, migadona ity ny taona vaovao 2021. Koa amin’ny anaran’ny Fikambanana Salezianin’i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy izay eo ambany fitantanako, no iarahabako antsika mianakavy Tratry ny Taona. Mirary ny soa sy ny tsara ary ny fahombiazana ho an’ny isambatan’olona sy isan-tokantrano.

0 : 00

Vao avy nankalaza ny Noely isika tamin’ny heriny androany. Ilay Teny Tonga Nofo tao an-kibon’i Maria Virjiny ka niara-nonina tamintsika : Izy ilay hanavotra antsika amin’ny gejan’ny fahotana sy ny rofy rehetra. Ary dia io Reniny io indrindra koa no ankalazaintsika amin’ity voalohan’ny volana janoary ity. I Masina Maria Renin’Andriamanitra anie no hitari-dalana antsika mianakavy hamakivaky ity taona vao itsahantsika ity. Ka ho lavitry ny rofy sy ny loza isan-karazany isika, fa homban’Andriamanitra ny fahasoavany feno.

Niarahantsika niatrika ny sedra izay natrehan’izao tontolo izao noho ny valanaretina Coronavirus. Niantraika tamin’ny seha-piainana samihafa, eny ny seha-piainana manontolo mihitsy aza ity valanaretina ity. Teo ny fiantraikany ara-batana : maro ireo olona voan’ny Coronavirus, nisy aza ireo nindaosin’ny fahafatesana. Hirifiry ara-piaraha-monina ihany koa satria ny fihibohana izay tsy nahafahan’ny vahoaka nifanerasera dia namparisarisa ny fiainam-piaraha-monina. Ny ara-toekarena moa dia iaraha-mahalala ny fahavoazana lehibe teo amin’ny fiharian’ny tsirairay sy ny firenena manontolo. Ary mainka fa ny ara-panahy izay tena nampahory ny mpino noho ny tsy fahafahana midera an’Andriamanitra tany am-piangonana.

Na teo aza ireo sedra samihafa ireo, dia azo lazaina fa nanamafy ny fahatsapana ny maha-olona sy maha-zanak’Andriamanitra ihany koa ity trangan’aretina ity. Tsy azo odian-tsy hita fa maro tamintsika no nahatsapa fa namerina indray ny fifandraisana lalina teo amin’ny mpianakavy ny fihibohana, eny fa na dia ny fifankahitana tao an-tokantrano fotsiny ihany aza. Fa nanampy ny isan-tsokajin’olona hikaroka zava-baovao koa ny fijanonana tao an-trano, mba tsy handanilany ny andro fotsiny. Ary maro ny ankizy no afaka namerina indray na nianatra ireo kilalao malagasy fahiny izay sady fampiasan-tsaina no fanabeazana ihany koa. Isan’ny goavana tamin’ireny indrindra koa anefa ny faniriana lalina tao amin’ny tsirairay sy ny isan-tokantrano ny fiombonana amin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny vavaka. Mafy ho an’ny mpino tokoa mantsy ny volana maromaro tsy nahafahana niditra am-piangonana. Porofo izany fa mbola mametraka an’Andriamanitra ho ivon’ny fiainantsika isika Malagasy. Ary izany no irariako ho antsika mianakavy : mba samy hifanentana hitodika amin’Izy Andriamanitra loharanon’ny soa rehetra, na amin’ny mora na amin’ny sarotra.

Manitsaka taona iray vaovao isika izao. Rehefa avy nanao jery todika iny taona 2020 vao nivalona iny, dia eto kosa hibanjina ity taona 2021 ity ary hametraka fanamby, fanamby araka izay hitan’ny tsirairay na isan-tokantrano, ny fiaraha-monina, na firenena, fa laharam-pahamehana. Ny tanjona dia ny hanome lanja ny maha-olona manontolo sy ny maha-zanak’Andriamanitra.

Eto dia mitodika manokana amintsika mpanabe isan-tsokajiny aho : ray aman-dreny niteraka, mpampianatra, mpanabe, mpitondra fiangonana, mpitondra fanjakana. Tsy tokony hanadino na oviana na oviana isika fa sady mpanabe no mpitory ny Vaovao Mahafaly. Noho izany, na inona na inona ny zava-kitranga dia voaantso hijoro eo anatrehan’ireo beazina ho mpaminanin’ny fiombonana ; ho takelaka manoro fahamarinana ; ho fanilo mamono ny haizin’ny fankahalana amin’ny alalan’ny asa mampihavana sy mitondra fandriam-pahalemana isika. Ny adidintsika tsy azo ialàna dia ny manampy ireo ankizy sy tanora beazintsika mba tsy ho very fanantenana izy ireo ; tsy ho resin’ny hakiviana ; mba hahaizan’izy ireo mitraka sy mikatsaka ireo soatoavina ambony indrindra. Izany hoe : ny fikolokoloana ny soa iombonana, ny fanajana ny ain’olombelona, ny fanajana ny zon’olombelona, ny fahatsapana ny andraikitrika ankinina aminy, ny rariny sy ny hitsiny, ny fahamendrehana, ny fahaizana miantra, ny fahafoizan-tena, ny fahamarinana, ny fanajana ny teny nomena, ny asa, ny fahafoizana maimaim-poana, sns… ny miaina ireo toetra sy soatoavina ireo no hany antoky ny fanorenana fiaraha-monina azo iainana sy anjakan’ny fahamarinana bebe kokoa. Dia ho tanteraka amin’izay ilay fomba fitenenana hoe ny tanora no ho avin’ny firenena sy ny Fiangonana.

Eto am-pamaranana dia manantitra hatrany ny fiarahabana sy firarian-tsoa antsika mianakavy ny tenako. Ho taom-pahombiazana sy ho taon-jina ho antsika anie ity taona 2021 ity. Ka samy hahazo ny anjara masoandrony ny tsirairay hahatsapa ny hasarobidin’ny fiainana, ny tombon’andro omen’Andriamanitra. Hovimbinin’i Masina Maria ny tokantranontsika tsirairay.

Mirary fety sambatra ary samia ho tahin’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 marsa 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 23 marsa 2024 ny Sampankazon'ny Tanora tao amin'ny Zone Antsirabe Renivohitra... ♦ Eo am-panatanterahana sy famitana ny Fiangonana ao Tsinjorano, izay zana-piangonan'ny Eglizy Saint Sauveur Antanety Distrikan'Ambohimena, ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe, ankehitriny... ♦ Nanamarika ny faha-100 taonan'ny Antilin'i Madagasikara, ny tao amn'ny Diôsezin'i Toamasina...

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...