Tsy afaka haharitra ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson'ny mahantra, hoy ny Papa François, manentana antsika hanamarika ny herinandron’ny « Laudato Si’ » ny 16 ka hatramin’ny 24 mai 2020. Amin’io fotoana miavaka io, hiombom-po ny katolika eran’izao tontolo izao, handalina, hivavaka, miaraka hanomana ny hoavy tsara kokoa.

Miombona ao amin’ny finona isika ary mikatsaka ny soa iombonana mba hanorenana tontolo mendrika sy tsara kokoa, hoy ny Ray masina. Ka amin’izao fanamarihana ny tsingeri-taona faha-dimy ny ansiklika «  Laudato Si’ » izao no hanentanana ny paroasy, ny ankohonam-piainana mba hikatsaka ny fomba entina mamaha ny olana eo amin’ny tontolo iainana, amin’ny fandalinana io ansiklika io.

Samy afaka manamarika izany na ny tsirairay, na ny ankohonana, na ny fianakaviana, na ny Fiangonana, na ny rafi-piaraha-monina. Ny dikastera momba ny asa fampivoarana ny olona manontolo sy Mouvement catholique mondial pour le Climat et Renova+ no manomana izao hetsika izao ka toy izao ny fandaharam-potoana :

  • 16-23 mai : fiofanana sy atrikasa, mianatra sy mivoatra amin’ny alalan’ny adihevitra ampitain-davitra. Hitanao amin’ity rohy ity ny fomba fandraisana anjara amin’izany.
  • 24 mai : Andro eran-tany ho an’ny vavaka,  miaraka-mivavaka amin’ny katolika maneran-tany amin’ny mitataovovonana, amin’ity vavaka manaraka ity:

Vavaka iombononana ho an’ny tsingeri-taona faha-dimin’ny “LAUDATO SI”

Ry Andriamanitra tia anay, 

Mpahary ny lanitra sy ny tany sy izay rehetra eo aminy,

Nataonao nitovy endrika taminao izahay, ary nataonao ho mpiandry ny voaharinao sy ny tranobe iombonanay.

Nitso-drano anay ianao tamin’ny nanoloranao ny masoandro, ny rano sy ny tany miavosa mba hahafahanay mivelona,

Sokafy ny fanahinay ary hetseho ny fonay mba hahafahanay rehetra mikolo ny voahary izay nankininao taminay.

Ampio izahay mba hahatsapa fa tsy  anay irery ihany ny trano be iombonana, 

fa ho an’ny taranaka mifandimby ihany koa, ary adidinay ny miaro azy.

Enga anie izahay ho afaka hanampy ireo sahirana mitady sakafo sy ny loharanon-karena izay ilain’izy ireo.

Mitoera eo amin’ireo fadiranovana  amin’izao fotoan-tsarotra izao, indrindra amin’ireo tena mahantra sy marefo.

Afaho amin’ny tahotra sy ny ahiahy ary ny fiolonolonana izahay ary ovao ho fahatsapana  fanantenana ireny mba hahafahanay rehetra mahalala ny fiovam-po marina.

Ampio izahay mba hahay hamorona sy hifanohana eo am-piatrehana ny vokadratsin'ity valanaretina maneran-tany ity,

Omeo anay ny herim-po hanaiky ny fiovana izay ilainay amin’ny fikatsahanay ny soa iombonana,

Amin’izao  fotoana izao indrindra no tokony hahatsapanay fa iray izahay rehetra,

amin’ny ezaka hamalianay ny hiakan’ny tany sy ny antsoantson’ny mahantra

Amin’ny anaran’ny Kristy Tomponay no anaovanay izany vavaka izany. 

Amen

(Dikan-teny: Fivondranam-ben'ny Evekan'i Madagasikara)

Ho any amin'i Terra dei Fuochi ny Papa François amin’io alahady io ho fanamarihana izany andro izany. Terra dei Fuochi dia faritra manelanelana an’i Naples sy Caserte, izay ahitana ireo fako sy faika misy poizina sy fandorana tsy ara-dalàna, manimba ity tany tsara sy mahafinaritra teo aloha ity.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...