Nafahan'ireo mpaka an-keriny, tamin'ny sabotsy 18 janoary teo,  ny iray tamin'ireo seminarista efa-dahy nalain'izy ireo tao amin'ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria.

Nidiran'ny andian'olona mirongo fiadiana, tamin'ny alarobia 8 janoary teo, ny toerana misy ny seminera zokiny ao Kaduna any avaratr'i Nigéria. Niezaka namaly azy ireo ny iray tamin'izy efa-dahy ireo ka novonoin'ireo jiolahy saingy tsy matiny fa naratra mafy. Narian'ireo mpaka an-keriny teny amin'ny lalana io naratra io ka izao nisy nahita izao. Mpandalo nandeha moto no nahita ka nitondra azy tany amin'ny hôpitaly. Mbola tsaboina noho ireo ratra mafy nahazo azy moa izy io ankehitriny. Nivavaka ho an'ny fanafahana ireo seminarista telolahy namany moa ny pretra ao amin'ny arsidiosezin'i Kaduna. Marihina fa tsy fantatra mazava ny toerana itazonan'ireo mpaka an-keriny azy telolahy ireo hatramin'izao.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 aprily 2024

♦ Tontosa omaly ny fanamasinana ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Jean Désiré Razafinrina... ♦ Nanatontosa fivoriambe, ireo relijozy rehetra miasa ao amin'ny Diôsezin'Ambanja tamin'ny 4 hatramin'ny 7 aprily 2024... ♦ Hotanterahana ao Vohipeno, toerana naha martiry an'i Ramose Botovasoa, Olontsambatra, ny fanokafana ny taon-jobily fahatelo nandraisan'i Masindahy François ny fery dimin'i Kristy...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...