Ho feno zato taona amin’ny 18 Mai izao ny nahaterahan’i Karol WOJTYLA izay lasa Papa Joany Paoly faharoa ary efa olomasina ankehitriny.

Ho fanamarihana izany dia namoaka boky iray mirakitra lahatsoratra sy sary maro maneho ny tantaram-piainany ny « Librairie Editrice Vaticane » na ny LEV. Tantaram-piainany nanomboka tamin’ny nahavoafidy azy ho Papa tamin’ny 16 oktobra 1978 hatramin’ny nahaterahany any an-danitra na ny nahafatesany tamin’ny 2 avrily 2005, ahitana 128 pejy. Boky nampitondraina ny lohateny hoe : « Zato taona : Teny sy Sary ». Nofaritan’i Papa François amin’ny sasinteny manokatra io boky io ny lalan-tsarotra nodiavin’i Joany Paoly faharoa tamin’ny fiainany, indrindra tamin’ny fahatanorany izay namoizany ny fianakaviany sy ny fifikirany tanteraka tamin’ny finoana sy fahatokisana an’Andriamanitra ary ny naha-mpanabe ny tanora azy. Ankoatra ny teny italiana dia natonta amin’ny teny anglisy sy polonais ihany koa io boky io ka ny 18 Mai izao no hamoahana azy ofisialy.

 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 aprily 2024

♦ Nankalaza ny fetin'i Kristy Mpiandry Ondry Tsara, ny Eglizy maneran-tany omaly alahady 21 aprily 2024. Nankalaza izany koa ny tao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Hananganana "sanctuaire", eo ambany fiarovan'ny Olontsambara Lucien Botovasoa, sy "centre spirituel", ny eo amin'ny toerana naha martiry an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Nanentana ny mpino rehetra mba hamantatra ny tsiambaratelon'ny fiainany, miaraka amin'ny Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, ny Papa François, tamin'ny Vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, omaly alahady...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...